Politique

RNM sy TVM Tsy laharam-pahamehana ho an’i Andry Rajoelina !


  • Zoma 12 Novambra 2010

Manohy hatrany ny fitsidiham-paritra ataony ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina. Omaly izy dia tany Ambalavao ary ny amin’ity anio ity dia fantatra fa Toamasina sy Fenoarivo atsinanana indray no hotsidihany.

Tsy dia misy fiovana firy fa mitovitovy ny lahatenin’ny filohan’ny Fat amin’ireo toerana rehetra alehany ireo, dia ny fanentanana ny olona hifidy amin’ny 17 novambra sy ny fanentanana azy ireo an-kolaka hifidy ny Eny. Fa anisan’ny mibahana amin’ny lahatenin’i Andry Rajoelina ihany koa ny fidedahana amin’ny asa vitan’ny fitondrana teo aloha sy ny fampanantenana fa maro ireo fotodrafitrasa goavana tsy maintsy hatomboky ny fitondrana tetezamita. Voalaza fa misy ny vola hahafahana manomboka ireo karazana asa goavana ireo, saingy ny nanitikitika ny saina dia tsy voaresaka mihitsy ny fanarenana ny biraon’ny Radio nasionaly (RNM) sy ny televiziona Malagasy (TVM) etsy Anosy izay voaroba sy may kilan’ny afo tamin’ny hetsika nataon’ny TGV ny 26 janoary 2009.

Fananam-bahoaka anefa ireo haino amanjerim-panjakana ireo no sady mitahiry ny tantaran’ny firenena vavolombelon’ny zava-drehetra nitranga teto tao anatin’ny 80 taona. Tokony ho filamatra amin’ny fampitam-baovao sy ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra ihany koa ny RNM sy ny TVM saingy hita amin’izao fotoana fa tsy tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehan’i Andry Rajoelina  amin’ny fanovana dradradradrainy etsy sy eroa izany. Tsy hita taratra eo amin’io sehatra io aloha raha ny fanovana izany satria tsy niova tamin’ny fomban’ny teo aloha ihany ny ataon’ny tetezamita amin’izao fotoana, hoy ny mpiasa iray eo anivon’io haino aman-jerim-panjakana io.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT