Politique

RN-44 Notenenina foana fa e e e


  • Alarobia 27 Oktobra 2010

Kabary miezinezina no nataon’i Andry Rajoelina tao Ambatondrazaka ny sabotsy 04 septambra nampanantena ny vahoakan’Alaotra fa hamboarina ny lalam-pirenena faha-44.

Nasainy nitsangana nanoloana ny olona tao amin’ny kianja Rasolonjatovo ary nanao fanambarana ny fotoana hanombohana ny asa mihitsy tamin’izay ny ministry ny asa vaventy, Razafimandimby Eric. Nambaran’ity farany fa afaka iray volana raha ela dia hatomboka ny asa. Samy manana ny iray volany io. Fa raha ny zava-misy dia na dian’angady iray aza tsy natao tamin’io lalam-pirenena nolazaina fa hamboarina io. Maina aza anefa izao ny andro, mijaly ny mampiasa iny lalana iny, indrindra ao Andaingo, mainka fa ho avy eo ny orana.

Raha nihazakazaka nametraka ny vatofehizoron’ny asa fanamboarana ny kianja Rasolonjatovo ho kianja sentetika ny ministry ny fanatanjahantena, Virapin Ramamonjisoa, ny sabotsy 09 oktobra 2010, dia niteny fa tsy tokony hanao izany izy ireo noho ny vanimpotoanan’ny fampielezan-kevitra saingy tsy afaka miandry, hoy izy, ny asa fampandrosoana. Eo no mampametra-panontaniana hoe rehefa kianja izany no atao dia mety fa rehefa lalana dia miato na dia nampanantenaina aza fa mbola anatin’ny fampielezan-kevitra ?
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT