Nohamafisin’ny pastora Tsarahame Edouard tetsy Isoraka omaly ny fanambaran’izy ireo mikasika ny fahavononan’izy ireo haka fahefana amin’ny alalan’ny torimarika noraketin’izy ireo anaty boky mitondra ny lohateny hoe « Dina fanorenana ifotony ».
Vonona handray fahefana ny rodoben’ny malagasy tia tanindrazana ho amin’ny fanorenana ifotony na ny RMTF, hoy ny tenany, raha nitondra ny tenin’ny fikambanana omaly. Mirakitra ny drafitra rehetra ahafahana manatanteraka izany ity boky ity na eo amin’ny lafiny politika na toekarena na sosialy, eny hatramin’ny fifandraisantsika amin’ny any ivelany, hoy izy.
Mangataka amin’ny Tompon’ny fahefana
Telo ihany no tompon’ny fahefana dia ilay Andriamanitra mpahary, izay manana fahefana hamelona sy hamono. Izy ihany koa no mandahatra ny zavatra rehetra ka horaisinay ny fahefana raha omeny. Faharoa ny vahoaka, izay masi-mandidy amin’ny taniny. Miandry ny fanapahan-kevitr’izy ireo ihany koa izahay hanome an’izany. Fahatelo, ny basy sy ny mpitandro filaminana. Miandry azy ireo ihany koa izahay. Ianareo izay nanatrika izao fotoana izao no vavolombelon’ny fahavononanay amin’ny fananganana tetezana miampita manomboka anio fa tsy tetezamita toy ny teo aloha intsony, hoy izy.
)Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.