Politique

RMTF “Manomboka voailika ny Malagasy.”


  • Sabotsy 24 Septambra 2016

Nivory mangina tetsy 67 ha ry zareo avy eo anivon’ny Rodoben’ny Malagasy tia tanindrazana ho an’ny fanovana ifotony na ny RMTF ny alakamisy 22 septambra.


 Handinihana ny hetsika izay handraisan-dry zareo anjara amin’ny sabotsy izao etsy Mahamasina moa no antony nivoriana. Araka ny fantatra dia omaly no navoakan’ireo vondrona politika izay mivondrona ao anatin’ilay hetsika antsoina hoe Malagasy mivondrona ho amin’ny fanorenana ifotony na MMF tetsy Ampasanimalo ireo fandaharan’asan’ny vondrona mpikambana tsirairay hahatongavana amin’izay fiorenana ifotony izay. Efa nahazo alalana avy amin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ny hetsika amin’ny sabotsy, hoy ny tompon’andraikitra, ka tsy ilàna alalana hafa intsony. Ny tompon-trano no efa nanaiky ary hetsika anaty trano tsy hatahorana hampisy korontana no hatao.

Tsy ekena ny fanilihana

Manomboka ailika an-kolaka eto amin’ny taniny ny Malagasy raha ny fanazavan’ireto RMTF ireto satria feno vahiny maka ny tanintsika amin’izao fotoana izao eto amin’ny firenena ka tsy tokony hitondra intsony ny fitondrana tsy mitsinjo ny taniny. Nahazo tsindry ve ny mpitondra ka lasa mihemotra amin’ny 2017 ny fandinihana ao anatin’ny fihaonamben’ny firenena mikambana ny resaka Nosy Malagasy ? Misy milaza amin’izao fotoana fa tsy avy eto no niaviantsika fa avy any amin’ny firenen-kafa. Efa fanilihana an-kolaka izany ka hiafara amin’ny fandroahana ny Malagasy eto Madagasika rahampitso raha tsy sorohana dieny izao.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT