Politique

Rivo Rakotovao “Vonona hiady izahay”


  • Alatsinainy 10 Aprily 2017

Nohararaotin’ny filohan’ny antoko Hvm, Rivo Rakotovao, ny zaikabe provinsialin’ny antoko tao Toamasina ny sabotsy tontolo andro teo natao tao amin’ny kianja mitafon’i Soavita,

izay nialohavan’ny filaharambe nanerana ny tanàna, izay nilazany ny hevitry ny antoko mikasika ny raharaha famonjana vonjimaika an-dRamatoa Razaimamonjy Claudine sy ny fanenjehana ankehitriny. “Manaiky ny zava-misy izahay, saingy tsy matahotra anareo ary tsy haharesy anay ianareo, vonona ny hiady izahay amin’ny fiarovana sy fanafahana ny olona nahavita be taminay sy nahatonga izao maha filoham-pirenena ny filohantsika izao”, hoy Rivo Rakotovao nandritra ny fanokafana ity zaikabe. Ho azy dia hetsika ataon’ireo mpamosavy malemy manapariaka “viriosy” ho fampisaraham-bazana ny Hvm izao, saingy milaza ny vonona amin’ny zava-misy izy ireo amin’ny fampahafantarana ny marina amin’ny mpikambana. Ho an’ny Hvm mantsy ny filazan’i Rivo Rakotovao dia “maherifon’ny firenena” Rtoa Razaimamonjy Claudine, ka tsy azo hadinoina sy tsy maintsy harovana amin’ny fomba rehetra. Nandritra ity zaikabe tao Toamasina ity no nanehoan’ny Hvm ny heriny tamin’ny fandraisana olona 15.000 manerana ny nosy sy tamin’ireo faritra telo tao Toamasina nanomana ny zaikabe, tamin’ny alalan’ny minisi-panjakana no minisitra “coach” ho an’i Toamasina, Narson Rafidimanana. “Vonona amin’ny lafiny rehetra ny Hvm hiatrika ny fifidianana ny taona 2018, ity zaikabe ity koa dia fanamafisantsika ny fangatahantsika mpikambana amin’ny filoha ny tsy maintsy hirotsahany, satria ireo antoko ambiny rehetra dia ‘viriosy’ mpanimba ny firenena avokoa”, hoy i Rivo Rakotovao nandritra ny famaranana ny zaikabe ny sabotsy teo. Tonga nanotrona ny hetsika ireo parlemantera Hvm sy ireo ben’ny tanàna “Hvm”, ary ireo solontenam-panjakana teo anivon’ny faritanin’i Toamasina. Anisan’ny tazana nandritra izany koa Atoa Lahady Samuel governoran’i Toamasina teo aloha.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT