Politique

Rivo Rakotovao Tsy mahalala menatra


  • Alarobia 12 Jolay 2017

Manangam-bovona i Rivo Rakotovao, filohan’ny antoko HVM sy ny ekipany amin’izao fotoana manoloana ny fahazakan’ny antoko Tiako I Madagasikara olona an’aliny ny 8 jolay teo.

 Be fialonana sy manaratsy ny hafa fa miezaka ny manadio tena ho fatra-panara-dalàna manoloana ireny hetsiky ny HVM tany Toliara ireny, ka nilaza fa nahazo alalana sy nanara-dalàna.  Iza no namoaka didim-panjakana tamin’ny volana jona fa tsy azo atao ny mamory vahoaka sy milahatra an-dalambe mandritra ny volana jona ? Dia iza no nandika azy ? Minia jamba sy tsy te hahalala i Rivo Rakotovao sy ny HVM tarihiny ary lany henatra tanteraka. Nambara fa fandikan-dalàna ny an’i Marc Ravalomanana. Mila manaja lalàna rehefa tsy nekena, hoy izy. Rehefa ny HVM manao loham-boto manapa-dalana sy milahatra an-dalambe ve dia mahazo sy ara-dalàna fa rehefa ny TIM dia tondroina ho devoly mikononkonona fanonganam-panjakana ? Hodiana tsy hita sy tsy re ve ny didy navoakan’ny fitsarana misahana ny ady hifanaovana amin’ny fanjakana tamin’ny fanomezana alalana ny TIM ho eny Mahamasina, saingy niainga indray ny tsindry bokotra hafa avy any an-dapa ? Amin-dry Rivo Rakotovao sy ny tariny dia rediredin’adala  ny fanehoan-kevitry ny mpitsara sy ny mpisolovava ny mpahay lalàna fa tsy maharava ny didim-pitsarana ny didim-pitondrana navoakan’ny prefektiora na miisa 140 aza ? Aiza ilay fieboebon’i Rivo Rakotovao nandritra ny fihaonambem-paritry ny HVM tany Toliara ny 16-17 jona fa antoko matanjaka indrindra eto Madagasikara ny antokony ? Aiza ilay fizahozahoana sy fanaovana tsinontsinona ny hafa hoe afaka manao ihany koa raha mahavita, kanefa nivarahontsana, ka nanao izay farahery nanakana ny TIM tsy hanamarika ny faha-15 taona nijoroany ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT