Tsy re feo sy toa nangina tanteraka ny filoha nasionalin’ny Antoko HVM, Rivo Rakotovao sy i Riana Andriamandavy VII, filoha lefitry ny antenimierandoholona.
Samy nampiaka-peo sy niaro fatratra an-dRazaimamonjy Claudine izy ireo taorian’ny nisamboran’ny Bianco azy noho ny resaka kolikoly. Tsy mba anisan’ny olona niteny tahaka ny nambaran’ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier, izay samy nilaza avokoa hoe avelao hanao ny asany ny fitsarana. Ingahy Riana Andriamandavy VII aza moa dia nahavita nitarika milisy nitoraka teny amin’ny Bianco mihitsy nitakiana ny famoahana ilay ramatoa, saingy tsy mbola nisy aloha hatreto ny fepetra sy ny sazy ho azy na dia nirarakopana aza ny fanamelohana ny fihetsiny, izay tsy mendrika amin’ny maha loholon’i Madagasikara azy. Menatra tamin’ny fihetsika natao sa mbola manomana paikady hafa no toa nisitri-belona sy tsy re feo intsony. Raha ho avy ny fotoana ka mety ho tanteraka ihany ny fampidirana am-ponja an’i Claudine Razaimamonjy dia eny Antanimora na eny Tsiafahy indray no handeha hitarika andian’olona sy hitoratoraka ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.