Mitohy ny fihantsiana ataon’ny mpitondra ny mpanohitra.
Taorian’ny teny mandranitra nataon’ny Filoham-pirenena ny alatsinainy lasa teo dia nanampy trotraka ihany koa omaly ny minisitry ny fambolena sy fiompiana sady Filoha nasionalin’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara, Rivo Rakotovao. Ny mpanohitra no matoritory fa izy (mpitondra) efa ela no nitsangana, raha naneho ny heviny mikasika ny hetsiky ny “Mitsangana ry Malagasy” teny Andrefanambohijanahary Atoa Rivo Rakotovao. Sady tsy mahazaka olona no tsy mahasolotena ny Malagasy ireo mpanohitra ireo, hoy izy. “Mitondra tenin’iza ireo mpanohitra ireo ? “, hoy izy. Namely an-kolaka sy toa mihantsy ny Praiminisitra teo aloha Omer Beriziky ny Filohan’ny HVM na tsy nivantana aza. Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.