Tsy matahotra ny hosamborina izany aho, hoy i Henri Rakotomalala na Riribe, raha mbola fitiavan-tanindrazana no hijoroako.
Ny tena mpanohitra mantsy dia tokony hanana fahasahiana hijoro amin’ny foto-keviny na dia maro aza ankehitriny ireo mpanohitra no efa voajonon’ny volabe afafy ka miezaka ny hamono ny tolombahoaka, hoy izy. Efa vita fihavanana tamin’ny vahoakan’Antananarivo ny tenako, hoy i Riribe etsy an-kilan’izany. Vao nivoaka ny fonja ny tenako tamin’ny volana martsa tamin’ny taona 2010, avy hatrany dia nivantana teny amin’ny Magro Ankorondrano nihaona tamin’ny vahoakan’Antananarivo. Raha raisina ho fahadisoana ny fanapahan-kevitra politika noraisiko tamin’ny taona 2002 dia efa nifonako tamin’ny vahoakan’Antananarivo sy tamin’Atoa Marc Ravalomanana na tsy mbola nihaona nivantana aza izahay mianaka hatreto.
Mikasika ny raharaham-pirenena ankehitriny noresahina dia tsy miova ny teny efa nataoko manao hoe : « heloka eo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka Malagasy ny hangina manoloana izao fahoriana mihoapampana mahazo azy izao noho ny ataon’ny mpitondra ankehitriny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.