Nifarana omaly ny fiaraha-mivavaka ho an’ny firenena nataon’ny filohan’ny fikambanana zatovo sady mpanao politika, Rakotomalala Henri na Riribe sy ny namany
. Vita iny ny vavaka natao ho an’ny mpitondra sy ireo izay niharan’ny tsy rariny rehetra noho ny fitiavan-tanindrazana teto. Manao antso avo amin’ny vahoaka Malagasy rehetra izahay mba samy hitondra am-bavaka ialana amin’izao ratsy mianjady amin’ny firenena izao. Noho izany, tsy azo ekena intsony ny mitazona ela ny mpanao ampihimamba eto. Ny zava-misy koa dia miovaova hevitra foana ny mpanao politika. Ny dikan’izany dia tokony ho ny Malagasy rehetra no miara-mientana fa tsy hiandrasana olona iray. Raha izao no mitohy dia hifampihinana eto ny vahoaka Malagasy rahampitso sy rahafakampitso, hoy izy.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.