Politique

Riana Andriamandavy VII Olona ambonin’ny lalàna tokoa ve ?


  • Sabotsy 06 Mey 2017

Tsy misy resaka intsony indray aloha ny momba ny loholona Riana Andriamandavy VII, izay sahy mihantsy ady sy mifampitana amin’izay rehetra manelingelina azy amin’ny fiarovana an-dRazaimamonjy Claudine.

 Nahazo ny anjarany ny Bianco tamin’ny vava be sy fikomiana ary ny fitarihana andian’olona hitora-bato. Nanehoany ny heriny ihany koa ny Filohan’ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM) Faniry Ernaivo tamin’ny fanakanana azy tsy hiditra tao amin’ny hopitaly HJRA hanamarina amin’ny maha ao amin’ny HJRA na tsia ity mpandraharaha efa namoahana didy famonjana ity. Ny mahagaga anefa dia resaka fanamelohana am-bava ny fihetsiny no ataon’izay miteny rehetra, fa izay tena hetsika azo tsapain-tanana aloha dia tsy misy na dia nambara aza fa azon’ny lalàna enjehina tsara izy ary tsy afaka mialokaloka amin’ny zo tsy azo enjehina noho ny heloka ambodiomby. Fa iza loatra ity loholona ity no dia sahy manao izay tian-katao eto amin’ny firenena kanefa toa tsy misy sahy mikitika ? Inona no andrasana sa dia toy ny atody miady amam-bato ve ny fitsarana na ny fahefam-panjakana tokony hanenjika azy, ka dia tazanim-potsiny izay miseho ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT