Fanaon’ny fanjakana HVM matetika ny fanakanana ny fanehoan-kevitra eto amintsika, ka raha vao misy ny hetsika famoriam-bahoaka ataon’ny vondron’olona na antoko tsy mitovy hevitra amin’ny fitondrana,
dia mailaka ery ny eo anivon’ny prefektiora sy lehiben’ny mpitandro filaminana manao fanambarana fa hetsika tsy nahazoana alalana. Na misy aza ny fangatahana dia tsy misy valiny miabo fa matetika no homena lamosina. Mampametra-panontaniana kosa ny fihetsiky ny loholona sady filoha lefitry ny antenimierandoholona Riana Andriamandavy VII, izay nitarika olona teny amin’ny Bianco omaly. Nilaza izy fa tsy hihoa-pefy ny olona tarihiny saingy niaraha-nahita ny mpikarama an’ady nitora-bato ny biraon’ny Bianco teny amin’ny Villa La Piscine Ambohibao omaly. Ara-dalàna ve ireny ary ho afa-maina fotsiny ve ity loholona izay efa sokajian’ny maro ho mahery fihetsika sy nitarika milisy nananika tranom-panjakana ity? Efa endrika fitarihana fitsaram-bahoka ny toy ireny saingy tsy mba misy ny fepetra raisina, ka manome leson-dratsy ho an’ny rehetra. Miharihary izao ny fampanjakana ny tsy maty manota eto, ka ireo olon’ny mpitondra dia afaka manao izay tian-katao sy mandika lalàna imasom-bahoaka, saingy tsy mba hiharan’ny lalàna.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.