Namaly bontana ny resabe etsy sy eroa manodidina ny raharaha Claudine Razaimamonjy ny loholona Riana Andriamandavy VII omaly teny amin’ny lapan’Anosikely.
Mitsabo tena ao amin’ny HJRA, efitrano faha-126 Rtoa Claudine Razaimamonjy, hoy izy, ary tsara ambin’ny mpandraharahan’ny fonja. Ireto farany no nisakana an-dRamatoa Fanirisoa Ernaivo filohan’ny sendikan’ny mpitsara (SMM) ary tsy namela azy hiditra tao amin’ny efitrano 126 satria tsy manana taratasy maniraka azy ara-dalàna izy, moa tsy ny fitsarana ambaratonga voalohany fa ny fitsarana manokana miady amin’ny kolikoly na ny Chaîne Pénale aloha hatreto no miandraikitra ny raharaha Claudine R sy namoaka ny didy koa noho izany tsy tokony hisy idiran’ny rafi-pitsarana hafa sy ny SMM mihitsy izany, hoy ny fanazavany. Somary mahagaga ihany koa ilay fitsidihana tampoka tamin’ny alahady manodidina ny tamin’ny 8 ora alina, hoy i Riana Andriamandavy VII. Azo hamarinina tsara fa ao amin’ny HJRA fa tsy nitsoaka izany i Claudine Razaimamonjy, hoy ity loholona ity. Asa na fanatsarana resaka nanoloana ny mpanao gazety vahiny no nataon’i Riana Andriamandavy VII omaly io na ahoana fa efa tena nisy tokoa ny mpanao gazety naka vaovao teny amin’ny HJRA saingy valin-teny manjavozavo hatrany no azo mba tsy hitenenana hoe fandroahana sy fandrahonana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.