Mivoaka tsikelikely ny fanamelohana ny fihetsika mamoafady nataon’ny loholona Riana Andriamandavy VII, izay nitarika olona mpikarama an’ady sy nanakorontana tamin’ny alalan’ny fitoraham-bato sy fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana teny amin’ny Bianco ny herinandro teo.
Anisan’ny nitondra ny heviny ny tonian’ny mpampanoa lalàna ambony, Randrianasolo Jacques fa tokony hisy ny fandraisana andraikitra manoloana ireny toe-javatra mamohehitra ireny. Raha haravona ny fanehoan-keviny, dia tsy mendrika amin’ny maha loholona, izay tokony ho fakan-tahaka ireny zava-nisy ireny. Nanamafy ny tsy fankasitrahana ilay fihetsika mamoafady koa ny Sendikan’ny Mpitsara, ary handray andraikitra. Inoana fa tsy maintsy hijinja ny valin’ny fandikan-dalàna sy ny fihoaram-pefy nataony ity loholona ity, izay heverina fa mety hanao fitaovana ny zo tsy azo henjehina manoloana ireny heloka efa hitam-poko hitam-pirenena ireny. Andrasana ny fanenjehana azy tahaka ny natao an’i Lylison, nitarika hetsika tsy nahazoana alalana sy tanàna maty. Tsy tanteraka akory anefa ny an’ity kolonely ity. Niarahan’ny rehetra nahita kosa ny an’i Riana Andriamandavy VII, ka andrasana ny fampiaharana ny lalàna aminy. Mety hijoro hiaro ny tsy ara-dalàna ihany koa ny mpikamban’ny HVM, izay fatra-piaro ireo olona efa hita izao fa mpandika lalàna sy tsy mihevi-tena ho tsy maty manota.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.