Politique

Riana Andriamandavy VII Antomotra ny fisamborana azy ?


  • Alatsinainy 15 Mey 2017

Raha nandiso ny fisian’ny taratasy fampiantsoana ny loholona Riana Andriamandavy VII ny zandarimaria tany aloha, dia efa nanaiky ny faran’ny herinandro teo fa efa tonga eny am-pelatanan’izy ireo ny taratasin’ady nalefan’ny

Tonian’ny fampanoavana ambony tamin’ny alalan-dRandrianasolo Jacques mikasika ny fitoriana ny loholona Riana Andriamandavy VII, izay ny filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) Faniry Ernaivo mihitsy no mpitory noho ny fandrahonana ho faty nataon’ity loholona ity tany anaty tambajotra sosialy, izay niantefa tamin’io mpitarika sendika io. Mbola vesatra hafa ihany koa ilay fikomiana sy fitarihana andian’olona hitora-bato teny amin’ny Biraon’ny Bianco Ambohibao. Efa misy ny fanadihadiana atao saingy hatao fahatany ny fampiantsoana sy ny fisamborana, raha haravona ny fanehoan-kevitry ny jeneraly Rakotomahanina Florens. Na somary mitarazoka aza ny fanadihadiana sy ny fampiantsoana izay mety hiafara amin’ny fampisamborana, dia mandeha be ny resaka fa maro ny tsindry amin’ny hanafainganana ny raharaha. Ny resaka mivoaka any an-dapa any amin’izao fotoana izao dia manomboka romotra sy tezitra amin’i Riana Andriamandavy VII ny tandapa sasany noho ny fihetsiny, izay toa efa sahy mihantsy ny fitondrana sy ny fitsarana mihitsy, izay midika fa mety hisy ny baiko amin’ny hanafainganana ny raharaha, ka hisian’ny fisamborana azy tsy ho ela. Efa miady amin’ny rafitra matanjaka i Riana Andriamandavy VII, ka mangina sy toa tsy nandrenesam-peo intsony taorian’ny fiverenany avy tany Chine. Na ny sasany ao anatin’ny andrim-panjakana misy azy aza anefa dia tsy mankasitraka sy manameloka ny fihetsiny noho ny fanalam-baraka ny antenimierandoholona. Antomotra ny mety ho fisamborana azy, saingy mampametra-panontaniana hoe mbola hahita hevitra hialana ny fanenjehana azy ihany ve ity loholona ity ? Efa navoaka mangingina ihany koa ve ny didy tsy fahafahany any ivelany (IST) sa havela hitsaitsaika handositra izy rehefa antomotra ny fisamborana ?


Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT