Politique

Rezervista Hanohana ny hetsika fitakiana ny marina sy ny rariny !


  • Zoma 21 Mey 2010

Manohana tsy misy fepetra ny hetsika mitory fitiavan-tanindrazana nataon’ny FIGN sy ny hetsiky ny mpitondra fivavahana ary ireo vahoaka maro be tonga teny Fort Duchesne sy ny manodidina ireo rezervista, araka ny resaka nifanaovana tamin’ny solontenan’izy ireo, omaly.

Ny fahasahiana sy ny fijoroana tahaka ireny no efa nandrasana hatramin’izay, hoy izy ireo. Tsy manakana ny fisian’ny fifampiresahana sy fifampidinihana ny fijoroana tahaka ireny, hoy ihany ny fanazavana. Ho an’ireto rezervista tafaresaka taminay ireto, dia vonona ny hanohana ny hetsika fitakiana ny rariny sy famerenana ny ara-dalàna izy ireo. Tsy resaka fiandaniana na fanaovana politika velively izany, araka ny fanazavana ihany fa tena fiarovana ny tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena amin’ny ankapobeny. Efa nivoady sy nianiana hiasa sy hiaro ny tanindrazana amin’ny fotoana ilàna azy ny rezervista, araka ny fanazavana voaray ihany, ka tsy afaka ny hijery sy hipetra-potsiny satria efa tonga izao ny fotoana, ampy izay ny fiafiana sy ny fiaretana ny tsy rariny ka hiroso amin’ny lalindalina kokoa amin’ny fanehoana ny fitiavan-tanindrazana, tahaka ireo vahoaka marobe amin’izay izy ireo. Nanamarika ihany koa anefa ireto solontenan’ny rezervista ireto, fa ny omby indray mandry tsy indray mifoha, ka misy ihany ireo naman’izy ireo nisafidy ny hiara-dalana amin’ireo mitondra ny firenena any amin’ny fahaverezana. Koa mbola manao antso avo ho an’ireo diso lalana mba hiverina amin’ny valan’ny ara-dalàna izy ireo. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT