Ela niandrasana ny fampanantenana nataon’ny filohan’ny FAT azy ireo miaramila fiandry na rezervista nanohana ny tolona tamin’ny taona 2009 ka nivoaka tamin’ny fahanginany.
Nisy ny fivoriana notontosain’izy ireo tetsy Androndra ny sabotsy 16 oktobra teo izay nandraisany fanapahan-kevitra manoloana ny fandrirarirana natao azy ireo. Manome 48 ora ny FAT ireto farany handraisana azy ireo indray ho miaramila feno na ilay antsoina hoe : “rengagement” raha tsy izany dia hilanja sorabaventy eny Ambohitsorohitra eo amin’ny tsangambaton’ireo lavo nandritra ny 07 febroary 2009 izy ireo. “Miandry izahay ny alatsinainy sy talata ka rehefa tsy tontosa izay fangatahana izay dia hanao io fanehoan-kevitra ankalamanjana io izahay ny alarobia”, hoy ny fanambarana. Nanao sorona ny ainy ho fampandresena ny tolona notarihin’ny filohan’ny FAT ankehitriny ireto rezervista ireto izay niambina ny Viva, ny “émetteur” teny Ambohimitsimbina ary ireo ministera taorian’ny famakiana ireto biraom-panjakana ireto. Ho setrin’izany dia nanome toky ny hamerina azy ireo ho miaramila raikitra i Andry Rajoelina rehefa mandresy ny tolona, araka ny filazan’izy ireo. “Aoka mba hotanterahinao ny teninao teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.