Politique

Rév. Satrobory Tsy an-dRajoelina fa an’ny CENIT no mikarakara fifidianana


  • Alakamisy 17 Janoary 2013

Manoloana ny fanambarana nataon’i Andry Nirina Rajoelina afak’omaly ireny, hoy ny Révérend Satrobory, dia misy hafatra nateraky ny eritreritra nataonay izay nilaza fa raha milatsaka izy dia manainga ny vahoaka hanery ny filatsahan’ny filoha Ravalomanana Marc izany.

 Fanetren-tena no nanambarany fa tsy hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena izy, hoy ity filohan’ny AMF/3FM ity noho ny tombontsoan’ny firenena hoy izy. Aminay dia tokony notsoriny avy hatrany fotsiny hoe : tsy hilatsaka aho fa izay fanitarana nataony niaraka tamin’izany dia misy mampieritreritra satria izy dia nanambara fa hatao mialohan’ny fifidianana filoham-pirenena ny fifidianana solombavambahoaka ary handray andraikitra feno amin’ny fiantohana ny fanatanterahana ny fifidianana izy Andry Nirina Rajoelina. Aminay anefa, hoy i Satrobory, dia andraikitry ny CENIT tanteraka ny fikarakarana  sy fisahanana izany fifidianana izany avy amin’ny fanaraha-mason’ny Iraisam-pirenena izay mamatsy vola ny fanatanterahana azy.

Dia ny governemanta tarihan’ny praiminisitra Beriziky Jean Omer koa no manana andraikitra amin’izany tahaka izay efa nanilihan-dRajoelina taminy ny fikarakarana ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Ny atahorana amin’ity raharaha ity dia ny zavatra nataon’i Poutine tany Rosia no tiana hatao eto indray, izany hoe : hanao izay hahalany ny maro an’isa eny amin’ny Parlemanta ny mpomba azy Andry Nirina Rajoelina dia hiroso amin’ny «Assemblée constituante» ny solombavambahoaka ary ho mora ny hanaovana fifidianana amin’ny alalan’ny «Grands électeurs» na mpifidy vaventy fa tsy ho an’ny vahoaka intsony ary dia atao hoe tsisy ny vola ary sahirana ny firenena.

Dia mbola nohizingizinin’ity mpanao politika avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity moa ny fangatahany amin’ny SADC sy ny Iraisam-pirenena ny hanome fahefana feno ny Praiminisitra Omer Berziky hitondra ny tany sy fanjakana ahazoany mikarakara tsy amin’ny ahiahy sy ara-drariny ny fifidianana izay nimatimatesana anaty tondrozotra. Mino aho, hoy izy, fa tsy manjaka eto amintsika intsony izany fanjakana faha mpanjaka toy ny an-dry Bokassa atsy Afrika fa efa tany Repoblikanina ity Madagasikara ity.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT