Politique

Rév. Satrobory “Ny vahoaka no mitaky ny hiverenan’i Marc Ravalomanana”


  • Zoma 25 Jona 2010

Ny fivavahana sy ny politika, ny raharaham-pirenena ankapobeny ny fetim-pirenena. Naneho ny heviny ny Rév Andrianalijohn Andriamanampy na Satrobory tamin’ny tafatafa mivantana nifanaovana taminy.

Tia Tanindrazana (T.T) : Andrianalijohn Andriamanampy, manalasala ny aminao, mpitondra fivavahana sa mpanao politika ?Rév Satrobory : Izaho no solontena ara-dalàn’ny Kibanguiste eto Madagasikara, notendren’ny Papa Kibangu tany Kinshasa. Tokony hiasa tany Canada no nanomanana ahy ho Pasitera. Talohan’izay anefa dia ny AMF/3FM no nahafantarana ny tenako. Antoko natsanganay ny taona 1974, mitoloha ho an’ny fitovian-jon’ny samy Malagasy, miady amin’ny fanavakavahana amin’ny lafiny rehetra, na volonkoditra, na fiaviana, na fihavanana. Izay foto-kevitra izay no nahatonga ahy ho hany Pasitera kibanguiste manao politika. 

T.T : Koa tsy hifangaro ve ny fivavahana sy ny politika amin’izany ?
Rév Satrobory : Ataoko ahoana no hitia an’Anandriamanitra izay tsy hita maso nefa ireo olombelona tempolin’Andriamanitra tsy manana mpiaro. Izay tolona ho fiarovana ny madinika izay indrindra no antom-pisian’ny antoko tarihiko dia ny AMF/3FM, hilazako aminao fa mifameno ireo.
 
T.T : Izao anefa voatery miafina fa tratry ny hazalambo ireo mpitondra fivavahana ao amin’ny HMF ?
Rév Satrobory : Marina tokoa izany, ary manahy aho sao hitranga eto ny tany Irlandy taloha, ka hifandona ny fivavahana. Ny Fjkm izao no lasibatry ny fanjakana izay toa mirona kokoa amin’ny katolika. Tsarovy fa heloka ny mampiady ny samy finoana. Ny mampisaotra an’Andriamanitra koa dia eo anivon’ny mpitolona dia manao ny katolika manakiana ny zavatra ataon’ny fitondrana.
 
T.T : Efa miseraka tolona ihany ianao, ahoana marina ny fandehan’ny tolona ataonareo ity, ianao rahateo mpikambana anatin’ny ankolafy Ravalomanana ?
Rév Satrobory : Tsy afaka hiteny amin’ny anaran’ny ankolafy Ravalomanana aho eto, fa amin’ny maha Rév Satrobory raha hiresaka politika isika. Ny AMF/3FM dia nanohana hatrany ny filatsahan-kofidian’ny filoha Marc Ravalomanana ny taona 2001 sy 2006, araka ny fanapahan-kevitry ny filankevi-pitantanan’ny antoko. Fanohanana tsy nisy tambiny ny anay. Mazava ny antony, hitanay sy tsapanay fa miompana amin’ny zavatra nokasain’ny AMF-3FM natao ny vinam-piarahamonina narosony toy ny fotodrafitrasa, indrindra ny lalana, ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra sy ny lafiny maro. Nahazo tombony tamin’izany ny vahoaka madinika ary tsy nandiso fanantenana anay izy. Rehefa nesorina an-keriny tamin’ny toerany izy dia tsy ekenay izany, ka mahatonga anay mpomba azy hanohana azy ary itolomanay izao. Koa raha milamina ny tany ka milatsaka hofidina izy, dia “1er Tour de vita”. Mora ho an’i Marc Ravalomanana ny miverina eo amin’ny fitondrana indray, indrindra manoloana ny fahadisoam-panantenana sy ny fahasahiranam-bahoaka ankehitriny. Ny herisetra sy ny fandrobana tsy miato mandraka ankehitriny dia mitarika ny vahoaka mitaky ny hiverenan’i Marc Ravalomanana eto Madagasikara sy eo amin’ny fitondrana.
 
T.T : Tsy nofinofy ve izany Rév. Satrobory ? Ny vola, ny fahefana ary ny hery anie any amin’ny FAT avokoa e ?
Rév. Satrobory : Lojika no hahatratrana izany. Tsarovy fa tsy misy manaiky ny fitondrana norombahina tamin-kery na endriky ny fanonganam-panjakana izany na ny SADC, Vondrona Eoropeanina, Vondrona Afrikanina, ny Firenena Mikambana. Fahefana norobaina ny an’ny FAT, ka mino aho fa na manohana ankolaka na mivantana azy aza ny Frantsay, mpitondra voasazy ireo ary tsy mendrika hitondra firenena ary ny vahoaka tsy hanadino velively ny zava-nitranga teto hatramin’ny 26 janoary 2009, ny 17 martsa 2009, sns ary tsy hanaiky izany koa.
 
T.T : Tsy lany andro ve ianareo ? Ireny ny Tiorka, Pakistan sy Vatikana ankoatra ny Frantsay manaiky hiara-hiasa amin’io fitondrana toherinareo io ?
Rév. Satrobory : Tsy mahagaga ahy iretsy firenena roa, jereo ny fihetsiky ny Karana tao anatin’ireny nampamaivay ny fifandonana teto ny taona 2009 ireny. Etsy ankilan’izay dia mampiahiahy ahy ny asa ataon’ny Mompera Urfer sy fitsabahan’ny Mompera Pedro amin’ny raharahan’ny Malagasy, tamin’ny nandefasany taratasy tany amin’i Louis Michel, kaomiseran’ny Vondrona Eoropeanina farany teo. Misy volo mifandray tendro ao. Tsoriko anefa fa voafitaka ny solontenan’ny Papa Ray Masina vaovao ary mino aho fa handray fepetra mifanitsy amin’ny zava-misy marina eto amin’ny firenena izy.
 
T.T : Dia ahoana izany ity fetim-pirenena ity ?
Rév. Satrobory : Tsy tokony ho toy izao no izy satria fetin’ny Malagasy. Malaina ny olona, eny fa na ny hanangan-tsaina aza. Ka mampieritreritra ihany hoe, i Andry Rajoelina izay milaza fa manaraka azy ny Malagasy maro an’isa ary nahazo 63% mahery tamin’ny fifidianana 2007 tsy mahataona olona intsony. Tsy manaraka baiko ny vahoaka, na efa aza ny fanentanana sy ny fanerena ankolaka re ataon’ny manampahefana any ambanivolo any. Dia tokony hieritreritra izy.
 
T.T : Ka mbola hisy zavatra azo hantenaina ve raha izany ?
Rév. Satrobory : Aminay dia miasa Andriamanitra ! Aza adinoina fa niteraka alahelom-bahoaka ny asan’ny Frantsay teto. Jereo anefa ny zava-misy tatsy Afrika Atsimo mandritra izao Mondial izao, teo ambany mason’ny filoha Ravalomanana no niseho ny fahafaham-barakan’ny Frantsay ary mikorontana hatramin’ny fitondrany, koa fahendrena ho an’ny Frantsay ny manova famindra amin’ny politika ampihariny amin’ny fifandraisan’i Frantsa amin’i Madagasikara, fa tsy hijery afa-tsy ny tombontsoany fotsiny. Ka aminay dia izao : “Andriamanitra tsy andrin’ny sasany, andrin’ny sahirana”. Andao hiroso amin’ny fampihavanam-pirenena sao hanenenana ny zava-misy, ka hoe “Après la fête, on grate la tête”
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT