Politique

Rév. Andrianalijonh Ndriamanampy Mila mifamela aloha Ravalomanana sy Rajoelina !


  • Alarobia 03 Aogositra 2011


 Nanamafy ny taratasy nalefany ho an’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny FAT, Andry Nirina Rajoelina ny Rév Andrianalijonh Ndriamanampy raha nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly, ka nanao antso avo ny amin’ny tokony hifamelan’izy roalahy mianaka ireo. «Tsy hisy dikany izay fifidianana hatao eo, ary ho nofinofy ny fiverenana an-tanindrazan’ireo sesitany politika raha tsy mifamela sy mifandray Atoa isany Ravalomanana sy Andry Rajoelina, hampisy ny fitoniana sy hamerenana ny fandriampahalemana», hoy ity mpitondra fivavahana, solontena ara-dalànan’ny fiangonana Kimbanguista eto Madagasikara ity. Nanamarika ity farany fa raha izao no mitohy dia hiady an-trano ny Malagasy. Araka ny nambaran’ny Rév. Ndriamanampy dia efa nifandray an-tariby tamin’ny filoha Ravalomanana ny tenany saingy tsy nampahafantariny kosa ny votoatin’ny resak’izy ireo. Nilaza ny tenany fa miandry ny valin’ny fanasana nalefany amin’ity herinandro ity, mialoha ny handraisany fanapahan-kevitra.

 

Jean D. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT