Politique

Rév. Andrianalijonh Miantso an’i Mandela sy Desmond Tutu ho avy eto


  • Alarobia 21 Aprily 2010

Niseho ary niteny amin’ny maha mpitondra fivavahana azy ny Rév Satrobory omaly raha toa ka kasketin’ny mpanao politika no netiny tao anatin’izay 14 volana nisian’ny krizy izay.

Nambarany fa loza manambana ny firenena ny fahapotehan’ny taranaka satria tsy afaka hianatra, ny mety hisiana fisaraham-bazana toy ny nitranga tany Irlandy sy ny maro hafa, raha mitohy izao krizy izao. Faniriany sady soso-keviny rahateo ny tokony hahatongavan’ny filoha afrikanina tatsimo teo aloha Nelson Mandela sy ilay Eveka angilanina mainty, Desmond Mpito Tutu, eto amintsika, haneho amin’ny Malagasy ny maha sarobidy ny tolom-panafahana. Eo koa ny filoha frantsay Sarkozy mba hijery imaso ny zava-manjo ny Malagasy. Nasian’ity antoko ity teny koa ny fahasahiranana vokatry ny fahaverezan’asa izay niteraka fahapotehan’ny fiainana isan-tokantrano. Manoloana izao loza manambana amin’ny firenena izao dia hijoro i Rév Satrobory sy ny AMF/3FM tarihiny ka miangavy ny Chef spirituel faha-3, dia ny Papa ray masina any Nkamba Congo, ny Papa Simon Kimbangu Kiangani sy ny filohan’ny RDC Joseph Kabila mba hanampy azy. Fifidianana sy fitsapan-kevi-bahoaka no hany vahaolana maharitra ilain’ny firenena, indrindra ireo sahirana, araka ny fanazavana. Izany dia hisorohana ny ady an-trano. Manoloana izany dia manao antso avo amin’ireo manam-panahy afaka hanampy ny Rév. Andrianalijonh. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT