Politique

Rév Satrobory Tahotra no namoahana ireo mpanao gazety


  • Zoma 10 Septambra 2010


Ao anatin`ny fotoan-tsarotra no ahitana ny tena namana. Raha tsy teo ianareo dia tsy nivoaka ireo mpanao gazetin`ny Radio Fahazavana, hoy ny révérend Andrianalijohn Andriamanampy. Tahotra ny tsy haharaikitra ny fihaonambem-pirenena ary koa tahotra ny filoha mozambikanina teo aloha, Joaquim Chissano sady mpitarika ny mpanelanelana iraisam-pirenena no namoahana ireo mpanao gazety, araka ny fanazavana ihany. Tsy mahafa-po anefa ny fahazoan`izy ireo fahafahana vonjimaika, ary rehefa havoaka ny gadra politika dia tokony havoaka daholo. Nambarany ihany koa fa fepetra hahatomombanan`ny fihaonambem-pirenena ny fiverenan`ireo filoha mirahalahy, dia ingahy Ratsiraka sy Ravalomanana. Ankoatra izay moa dia tsotra ny nambaran`ny pastora Edouard, fa rehefa tsy mandray andraikitra ny fitsarana sy ny miaramila, hoy izy dia aleo ny vahoaka no handray andraikitra. 

Nangonin`i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT