Politique

Rév Satrobory Niova look …


  • Alatsinainy 18 Oktobra 2010


Niverina an-kianja ny rév Andrianalijohn Andriamanampy na «Satrobory» rehefa tsy tazana herinandro vitsivitsy fa namita iraka mikasika ny fiangonana Kimbanguiste tany ivelany tany. Endrika tsy toy ny mahazatra anefa no nisehoan’i Satrobory tao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy teo. Nisafidy ny loko fotsy ambony ambany izy tamin’ny fanamiana nanaovany ary tsy nitondra satrobory araka ny fahalalana azy ary naharaikitra ny anara-petaka taminy. Nanazava ny antony izy, ka nilazany fa “tsy hisatrobory itsony aho mandrapahatonga ny filoha Ratsiraka sy Ravalomanana ary mivoaka daholo ny gadra”. Marihina fa anisan’ireo voampanga ho mpanapoaka baomba teto an-drenivohitra ny Rév Satrobory ny taona 2009, ary mbola mitatao aminy mandrak’ity ny anio ny raharaham-pitsarana. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT