«Tsy hanao sorona ny tombontsoa ambonin’i Frantsa noho ny amin’i Andry Rajoelina aho». Izay raha adika malalaka ny tenin’i Nicolas Sarkozy, filoham-pirenena frantsay teny an-dalantsara nandritra ny dinika teo amin’i Frantsa sy Afrika tany Nice, araka ny vaovao nampitain’ny Alliance Demokratika tetsy amin’ny kianjan’ny Finoana omaly. Raha tsiahivina dia tamin’iny fotoana iny no nilazan’ity filoha frantsay fa izay hevitry ny vondrona iraisam-pirenena no arahin’i Frantsa. Ho an’ny Alliance Demokratika dia anisan’ny teny nanaitra nataon’i Jean-Marc Châtaigner nandritry ny fetim-pirenena frantsay ny nahasahiany nilaza fa tokony hofoanana ny FIS (Force d’Intervention Spéciale). Tetsy andanin’izany, araka ny vaovao ihany, raha nihaona tamin’ny filoha Ravalomanana ireo parlemantera avy amin’ny vondrona ACP sy Vondrona Eoropeanina izay namita iraka teto amintsika vao tsy ela akory izay dia nambaran’ireto Parlemantera fa tsy hifampidinika intsony i Andry Rajoelina ka mila mandray andraikitra ny filoha. Raha hifampidinika anefa dia fepetra maromaro no apetrakay, hoy ny Alliance Demokratika, toy ny famoahana ireo gadra politika rehetra, olona tsy miandany no hikarakara ny fihaonana, ary mody avokoa ireo sesitany any ivelany.
Araka ny fantatra ihany koa dia nandefa soso-kevitra momba izay lalàna hifehy ny antoko politika any amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny Alliance Demokratika. Fa nambaran’ny Rév. Satrobory ny hafatry ny filoha Ravalomanana izay nampivory ireo mpitarika ny tolona omaly maraina. “Mifankatiava ianareo ary miraisa hina fa fandraisana ny fitondrana no iomanana”, hoy ny filoha teo aloha nanafatra, araka ny tatitra nataon’i Satrobory. Tsy nitaraina izy, hoy izy na koa nanisy teny momba ny filazana fa nahitana andramena teny amin’ny orinasa Tiko. Araka ny fahitan’ny filohan’ny Amf/3fm dia arahin’ny Frantsay maso akaiky ny momba ny fanondranana ity harem-pirenena ity ka may volon-tratra ny FAT ka mitady olona hatao sorona miaraka aminy. Ho an’ny solontenan’ny vehivavy legaslita moa dia nazava ny resaka fa na hiodin-kavia na hiodin-kavana dia tsy hahazo fankatoavana iraisam-pirenena ny FAT. Ireo nianteherany na nanohana azy hatramin’izay aza efa mandatsa sy manakiana azy avokoa, hoy izy ireo. Mitaraina ny tany, hoy ny Kmfb, nanamafy ny amin’ny hanamafisana ny tolona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.