Politique

Rév Ndriamanampy Hitolona ho an’ny «Zanak’Iarivo Miray»


  • Zoma 22 Oktobra 2010

Nanova paikady sy famindra ny Rév Ndriamanampy taorian’ny niverenany avy any ivelany. Fivoahana namonjeny fihaonam-bavaka mikasika ny finoana Kimbanguista tany Repoblika Demokratikan’i Congo.

Niova “look” izy niverina avy any. Tsy nametraka sarobory maha Rév Satrobory azy intsony. Araka ny nambarany dia ny filoha Marc Ravalomanana miverina an-tanindrazana no hamerina eo an-dohany indray iny satroka iny. Ny amin’ny tolona politika dia manamafy ny fiarahany amin’ny Ankolafy Ravalomanana izy, mpikambana ao amin’ny UdemPro (Union for Democratic Process) na Alliance Démocratique teo aloha. Ankehitriny kosa dia miditra lalindalina kokoa ny tolona, hoy ny Rév Ndriamanampy, fa izay indray no anarana hiantsoana azy manomboka eto, raha nanangana ka nampahafantatra ny “Zanak’Iarivo Miray” ny tenany. Tolona ho an’ny fitoviana io, araka ny fanazavany, ary ady amin’ny fanilikilihana na ara-piaviana, ara-bolonkoditra, na ara-pinoana, na ara-politika.

Mbola endrika isehoan’izany, hoy ny Rév Ndriamanampy ny nananganana tamboho eny ambony tetezana Ampefiloha, mba hanafenana ireo “villa” baoritra sy “cellophane” eny La Réunion Kely. Tolona hataon’ny “Zanak’Iarivo Miray” koa ny hanovana ny ambarany fa teny eso nataon’ny Frantsay, ka nanomezana anarapetaka “Malgache” ny mponina eto Madagasikara. Manomboka izao dia “Madagascarien” raha lahy ary “Madagascarienne” no hiantsoana ny mponina eto Madagasikara, hoy ny Rév Ndriamanampy. Mikasika ireo entana mora nambaran’i Andry Rajoelina fa hamatsiana ny Tsena Mora, dia mitaky ny hanokafana fanadihadiana amin’izay niavian’izany entana izany ny “Zanak’Iarivo Miray”. Momba ny fitsapan-kevi-bahoaka izay resahina betsaka tato ho ato dia hentitra ny tenin’ny Rév Ndriamanampy milaza fa tsy misy antony hanaovana izany raha tsy mivoaka ny gadra politika rehetra, miverina an-tanindrazana ireo filoha roalahy Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana, hiaraha-manomana ny fifidianana izay ialohavan’ny fampihavanam-pirenena.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT