Politique

«Réseau Libéral Africain» Ny satan’i Maputo ihany no vahaolana ho an’i Madagasikara


  • Alakamisy 12 Aogositra 2010

Ny fandraisan’andraikitra sy anjaran’ny vehivavy eo amin’ny sehatra politika no nifantohan’ny fihaonan’ny tambajotran’ny antoko liberaly na (Réseau Liberal Africain –RLA).

Ny faramparan’ny volana jolay 2010 teo, tany Tonizia no nanatontosan’ity tambajotra ity ny fihaonana faha-2 namaritana indrindra ny ezaka vita sy ny fampiharana ny drafitrasa napetraka tamin’ny fihaonana voalohany natao ny volana jolay. Nanana solontena tamin’izany moa ny vehivavy malagasy, dia Rasoaniaina Malalatiana, avy amin’ny vehivavy MFM. Ankoatra ny fandaharam-potoana efa voafaritra dia nisy ihany fotoana nahafahana nizara ny tranga eto Madagasikara. Tamin’izany no niarahan’ireo mpizaika avy amina firenena 28 nilaza fa ho an’i Madagasikara manokana dia tsy misy afa tsy ny fampiharana ny satan’i Maputo ihany no vahaolana. Sata izay efa nahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena. Nanambara moa ny mpandrindra ny RLA fa hanao tatitra eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny tenany. Samy niaiky ihany koa ireo firenena afrikanina zanatany frantsay teo aloha ary samy nanamarika ny 50 taona nahazoany fahaleovantena fa dia tarazo ny fanjanahana izay mbola mitohy hatrany ny aretin’ny firenena afrikanina amin’izao manoloana ny firongatry ny fanonganam-panjakana. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT