Politique

Resaka fanonganam-panjakana “Wanted” i Riribe ?


  • Alarobia 26 Oktobra 2016

Hentitra ny fanambarana nataon-dRakotomalala Henri na Riribe ny alakamisy 20 oktobra lasa teo fa hiroso amin’ny fanonganana izao fitondrana izao amin’izay ny tenany sy ireo mpanohana azy ary tsy matahotra ra mandriaka.

 

Amin’ny herinandro ambony dia ho raikitra ny tolona, hoy izy tamin’izany ka nilazany fa na hiafara amin’ny ainy aza dia tsy hihemotra ny tenany sy ireo Malagasy tia tanindrazana hanala izao fitondrana izao. Ny fidinana an-dalambe no hany sisa lalana hahafahana manala an-dRajaonarimampianina sy ny ekipany.  Tsy arakaraka izay fanehoan-kevitra izay anefa no zava-nisy tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Tsy hita popoka izay misy an’i Riribe raha tokony hitarika hetsi-bahoaka araka ny fanambarany. Efa mandeha ny resaka fa tsy maintsy hosamborina izy ary efa miery ka izay no tsy dia hisehoany. Mitovitovy amin’ny zavatra nanjo an’i kolonely Lylison izay nanao fanambarana hanao tanàna maty an’Antananarivo tamin’ny 25 mey ny mahazo an’i Riribe raha ny zava-misy no dinihina. Toy izany ihany koa i Augustin Andriamananoro izay nambara fa niketrika hetsika fanakorontanam-panjakana sy tao ambadiky ny hetsi-bahoaka tany Soamahamanina ary nisitrika nanomboka ny harivan’ny 22 septambra nisian’ny hetsika tany an-toerana. Dradraina lava ny hoe tany demokratika i Madagasikara saingy resaka no betsaka fa izay miteny sy manelingelina ny mpitondra dia enjehina sy gadraina. Mihevitra ny fanjakana ankehitriny fa ny fanagadrana izay miteny sy manakiana no vahaolana hahafahana mifikitra eo amin’ny fitondrana fa tsy ny fanaovana ny mety sy tsara amin’ny fomba fitantanana ny firenena. Sady diso hevitra no diso paika ny mpitondra ka efa maro no manasokajy ny filohantsika ho anisan’ny filoha mpanao jadona aty Afrika noho ny zavatra ataon’ny fitondrana tarihany.

Toky R.

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT