Politique

Repoblika faha-4 Tsy resy lahatra ny maro


  • Alatsinainy 20 Septambra 2010

Naverimberina tamin’ny mpizaika teny Ivato, nandritra ilay kaonferansa nasionalin’ny FAT ny herinandro lasa iny ny hoe : hiroso amin’ny fananganana ny Repoblika faha-4 isika.

Tamin’ny kabary famaranana io kaonferansa io ny filohan’ny Raimandreny Mijoro, Ramino Paul, dia mbola nanantitrantitra fa dia mizotra mankany amin’ny Repoblika faha-4 isika. Ny zavatra iray mba marihina anefa dia ity, tsy nisy akory ampaham-potoana nilazana na nanazavana tamin’ireo mpizaika ireo ny antony tsy nampanjary, raha nisy izany, ny Repoblika faha-3 ka hialana aminy na handravana izany. Ny fanontaniana mipetraka mantsy eto dia ny hoe ampy hilazana ve fa fiovana Repoblika ny fisian’ny fanonganam-panjakana ka miteraka krizy ? Raha izany mantsy dia taorian’ny nanonganan’ny depiote tamin’ny nampiatoana tamin’ny asany ny Pr zafy ny taona 1996 no efa niova Repoblika isika, na koa taorian’ny krizy ny taona 2001. Fanontaniana mipetraka koa eto, maninona no tsy nambara sy nohazavaina tamin’ny mpizaika ny fototry ny olana tamin’ny 2009 fa nosarontsaronana fotsiny tao ?

Ny zava-misy mantsy dia izao.Tsikaritra nandritra iny fivoriambe teny Ivato iny ny fitsitokotokoana tetsy sy teroa nataona mpizaika maromaro. Velom-panontaniana izy ireo saingy miahotra hamoaka ampahibemaso izany, noho ny tahotra fandrahonana sy antsojay satria nasaina mamita iraka no nitondrana ny ankamaroan’izy ireo tonga teto Antananarivo. Na izany aza nisy ihany ny fotoana nitafana tamin’ny sasany tamin’izy ireo, izay mpizaika avy any amin’ny Faritra, ka nanontaniany fa inona no tsy itiavanareo teto Antananarivo ny filoha Marc Ravalomanana, nefa izy nahavita zavatra mampitolagaga toy itony hitanay ety Ivato itony, mantsy ny Hotely kintana 5 sy ilay ivotoerana fandraisana fivoriana iraisam-pirenena, ary nahavita zavatra maro tany aminay ambanivohitra tany : sekoly, hopitaly, tohodrano, lalana … Mbola ireto mpizaika ireto no nilaza fa tsy hitan’izy ireo, ary tsy maharesy lahatra ny antony hilazana fa tokony hiova Repoblika isika, fa raha misy lesona azo tsoahina tamin’ireny 2009 ireny dia ny hoe tsy tokony hitsabahan’ny Fanjakana loatra ny raharahan’ny Kaominina, satria olona voafidim-bahoaka mivantana koa ny mitantana azy.

Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT