Politique

Repoblika faha-4 Efa vonona ny lalŕmpanorenana ?


  • Alakamisy 27 Mey 2010

Efa vita ary vonona ny rijan-teny rehetra amin’ny lalŕmpanorenan’ny Repobika faha-4, araka ny tsiliantsofina re ary voalaza fa ireo mpahay lalŕna sy manampahaizana niketrika sy nanoratra azy io ihany no handrafitra amin’ny ampahany betsaka ilay komity fakan-kevitra ho amin’ny fandrafetana ny volavolan-dalŕmpanorenana, araka ny nambaran’ny HAT.

Efa ho iray volana mahery teo ho eo moa izao no niasa tsy an-kiato ireto vondron’olona ireto. Misy amin’izy ireo no mpahay lalàna, eo ny manampahaizana manokana momba ny politika, ao ihany koa ny mpiara-miasa akaiky sy olona atokisan’ny filohan’ny HAT Andry Rajoelina, ary ireo teknisianina vitsivitsy. Natao mangingina ny asa rehetra, ary na ny ankamaroan’ireo olona manodidina ny filohan’ny HAT aza dia tsy nahalala ny fisian’izany. Araka ny resaka mandeha ihany dia fanatsarana sy fanitsiana ny firafitry ny fehezanteny sisa no atao amin’izao fotoana, ary ho vita tanteraka ny asa rehetra mialoha ny 26 jona. Maro, araka izany, no manahy fa karazana fombafomba fotsiny ihany sisa no hatao mandritra ilay fikaonandoham-pirenena hokarakarain’ny HAT ato ho ato, satria efa vita ny resaka rehetra.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT