Politique

René Rasolofo Aza atao varoboba ny harem-pirenena !


  • Talata 03 Aogositra 2010


Nanamafy i René Rasolofo mpikambana ao amin’ny FAT fa tsy azo trandrahana ny harena eto Madagasikara, fa manara-dalàna sy manaja ny tontolo iainana. Tsy tokony hatao varo-boba ihany koa, araka ny filazany, ireny harena voajanahary trandrahana eto amintsika ireeny, na ny harena ankibon’ny tany izany na ny hazo sarobidy na ny harena an-dranomasina. Araka ny hevitr’ity mpikambana FAT ity dia tsy tokony hatao intsony ny fitrandrahana tsy am-piheverana ny harem-pirenena sy ny famarotana izany mora any ivelany any. Tsy azo ekena mihitsy, hoy i René Rasolofo ny fivarotana ny tanindrazana, tahaka ny saika nataon’ny sasany teto, fa raha misy ny zavatra sarobidy aondrantsika dia tokony hahazo tombony betsaka amin’izany ny firenena Malagasy sy ny vahoaka. Nisarika ny sain’ny rehetra ity mpikambana ao amin’ny FAT ity fa varotan’ny Sinoa 25 avo heny amin’ny vidiny namarotantsika azy tamin’izy ireo ny «bois de rose». Tsy hoe mitahiry ity hazo sarobidy ity tokoa mantsy ny Sinoa izay, mpanjifa voalohany ny «bois de rose» sy ny «bois d’ébène» avy eto Madagasikara fa manadio sy manatsara izany ary, mamerina mivarotra azy amin’ny vidiny tena midangana tokoa. Ka rehefa natao ny kajy tsotsotra dia ny Sinoa no lasa mahazo tombony be lavitra noho ny Malagasy amin’ny fivarotana ny hazo sarobidy nalaina teto. 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT