Politique

Referandaoma Hanara-maso ny CENI Niger


  • Talata 16 Novambra 2010

MMTM (Malagasy Miray Tanindrazana Mandroso), KMF/CNOE (Komity Mpanara-maso ny Fifidianana na Comité National d’Observation des Elections-éducations des Citoyens), AMICI DI Ampasilava Madagascar, UNMDH (Union Nationale Malagasy des Droits Humains) ary ny CENI Niger, ireo dimy ireo araka ny lisitra nivoaka avy eo anivon’ny CENI Madagascar no nahazo alalana hanara-maso ny fifidianana, ny fitsapan-kevi-bahoaka hatao rahampitso 17 novambra 2010.

Samy handrakotra ny Faritra 22 izy ireo, raha ny fahazoan-dalana azony avy. Ny telo amin’ireo dia mpanara-maso avy eto an-toerana, ny roa kosa dia ny CENI Niger sy ny AMICI DI Ampasilava Madagascar no voalaza fa mpanara-maso avy any Ivelany. I Niger, izay firenena afrikanina miteny frantsay, nitrangana fanonganam-panjakana nataona miaramila ny 18 febroary 2010, toy ny teto Madagasikara. Fifidianana filoham-pirenena ny azy ireo no hatao amin’ny janoary 2011, hamahana ny krizy. Ankoatra izay dia fantatra fa misy Parlemantera vahiny tonga eto Madagasikara hatry ny omaly. Tsy fantatra mazava izay ho anton-dian’izy ireo eto. Fito izy ireo, nanao andiany roa ny fahatongavany. Ny efatra niaraka tamin’ny zotram-piaramanidina Air Madagascar, toa an-dry Alain Destexhe (Belza), Paul Wille (Belza Flamand) sy i Eric Raoul (Frantsay). Olon’ny fiadidiana ny FAT sy avy ao amin’ny CENI Madagascar no tonga nitsena azy ireo teny Ivato. Ny telo ambiny, izay lehilahy ny roa ary vehivavy kosa ny iray, dia zotra Corsair no nitondra azy, ary ingahy Rabetsaroana no anisan’ny nitsena azy teny am-pahatongavana. Inona no ho anton-dian’izy ireo eto sa misy ifandraisany amin’ity fifidianana ity ?

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT