Politique

Reboza Julien Mitsikera mafy hiarovana tombontsoa


  • Zoma 09 Jolay 2010

Nanamafy i Reboza Julien mpikambana HAT fa tsy misy ilana an’i Joaquim Chissano mba hanelanelana izany intsony eto Madagasikara.

Tsy nisalasala izy nilaza tahaka ireo mpanao politika mpanohana ny FAT naneho hevitra, fa miandany amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ity mpanelanelana nirahan’ny Sadc sy ny Vondrona Afrikanina ity. Amin’i Reboza Julien dia vitan’ny samy Malagasy ny famahana ny krizy fa tsy hiandrasana lava ny avy any ivelany. Mikasika ireo Raiamandreny Mijoro hikarakara ny fikaonan-doham-paritra sy ny fikaonan-doham-pirenena kosa, dia nahitsy ny tenin’i Reboza Julien nanao hoe : «hitako ho mitarazoka loatra ny fomba fiasan’izy ireo, satria mandany andro manambitamby ireo olona tsy vonona ny hamaha ny olana sy hiroso amin’ny fifidianana ry zareo. Tokony hanohy ny asany ny tetezamita fa tsy hanambitamby ny tsy mazoto, rehefa tsy hanao ry zareo dia aleo hijanona eo fa ny asa tsy maintsy mitohy».

Amin-dReboza Julien dia misy dikany ireo fiarahabana ny filohan’ny FAT sy ny vahoaka Malagasy avy any amin’ny firenena vitsivitsy tamin’ny faha-50 taona niverenan’ny fahaleovantena. Efa firosoana tsimoramora amin’ny fankatoavana ny fitondrana ireny, araka ny heviny. I Reboza Julien moa raha tsiahivina kely dia anisan’ireo mpanao politika tena mahay milomano tokoa. Nanohitra ny amiraly Ratsiraka izy ary niara-dia tamin’i Marc Ravalomanana tamin’ny 2002, voatendry ministry ny asa vaventy izy, saingy tsy nahavita azy dia nosoloina, ary tsy nahazo toerana intsony tao anatin’ny fitondrana Ravalomanana ka dia nivadika ho mpanohitra mahery vaika ity farany. Ankehitriny dia mpikambana eo anivon’ny FAT izy, mikarama volabe, ary miezaka mafy araka izay tratry ny heriny amin’ny fanohanana ity tetezamita mpanongam-panjakana ary tsy eken’izao tontolo izao ity, noho ilay fihinanana e !
 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT