Politique

Réactions Ambohijatovo


  • Zoma 09 Aprily 2010

Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena dia samy manana ny fahitany ny toe-draharaha ny olom-pirenena tsirairay. Eo aloha ny famoretana, eo ny disadisa eo anivon’ny tafika.

Narcisse : mafanafana ny toe-draharaha nefa mbola misy milaza ihany fa milamina. Tokony hampieritreritra azy ireo izao zava-misy izao. Ny fahitako azy dia tsy misy vahaolana afa tsy ny fiverenana mifampidinika ihany sy ny fampiharana ny fifanarahan’i Maputo sy Addis Abeba. Tsy hilamina mihitsy io raha tsy izay. Ny hangatahiko dia mila hamafisina ny fanentanana. 

Lanto : Raha tsy mahita vahaolana haingana dia hitroatra ny vahoaka ka hahatonga fahasimban-javatra be dia be izany. Ireny zava-mitranga eny anivon’ny tafika ireny dia porofo fa miady an-trano izy mianakavy. Madiva hifarana ny tolona. Tsy milamina ao amin’izy ireo fa fandresen-dahatra sisa.
 
Rasoa : Mankaleo, tsy misy iainana ny famoretana sy ny tsy fandriampahalemana. Hany vahaolana dia ny fiverenana amin’izay zavatra efa nosoniavina raha mbola te ho eo. ‘Normal’ raha mikorontana ny tafika satria fanjakana norombahana tamin-kery. Ny miaramila tsy ho an’ny tanindrazana izany fa ho an’ny vola.
 
Freddy : natao hoe kianjan’ny demokrasia io Ambohijatovo io. Ankehitriny, lasa kianjan’ny famoretana. Androany izao (omaly io) dia 2 no nitarika ny miaramila, samihafa ny komandiny ary ny iray aza mamo.  Inona no dikan’izany ? Tsy misy raha mandeha eto fa resaka daholo.
 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT