Politique

RCM - Vondron’ny olom-pirenena Tsotra Handentika ny firenena ny "référendum"


  • Zoma 29 Oktobra 2010


Misarika ny sain’ny vahoaka tsy ho rototra amin’izany resaka fitsapan-kevi-bahoaka na "référendum" ataon’ny fitondrana FAT amboletra amin’ny 17 novambra izany ny Vondron’ny olom-pirenena tsotra na ny RCM (Rassemblement des Citoyens Malagasy). Tsy volavolan-dalàmpanorenana niaraha-nidinika no aroso hofidian’ny vahoaka amin’izany, hoy izy ireo fa novolavolain’ny ankolafy tokana eo amin’ny fitondrana ankehitriny. Sady petatoko no tsy matotra io volavolan-dalàmpanorenana io ary tsy hahazo fankatoavana amin’ny eto an-toerana sy ny iraisam-pirenena velively.

Ny ho vokatr’izy io raha sanatria hihatra eto amin’ny firenena dia mbola vao mainka hampilentika ny vahoaka ao anatin’ny fahoriana lalina efa mahazo azy ankehitriny ary mbola handentika ny firenena any anaty hantsana lalina bebe kokoa. Ireo mpitondra FAT kosa anefa etsy an-kilany, higalabona amin’ny fananam-bahoaka eto Madagasikara. Ny tena mahamaika ny vahoaka malagasy izao, hoy ihany ny RCM dia ny hialana amin’ny fijaliana mafy mianjady aminy, toy ny tsy fandriampahalemana miseho lany manerana ny Nosy amin’ny alalan’ireny fanafihana mitam-piadiana ireny, ny vonoan’olona etsy sy eroa, ny tsy fananana asa noho ny fikatonan’ny orinasa maro... fa tsy izany "référendum" izany. 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT