Politique

RCFVIEEM Mila fanavaozana tanteraka ny tontolo politika eto Madagasikara


  • Alakamisy 21 Jolay 2011


 Mila havaozina tanteraka ny lalàmpanorenana, ny lalàm-pifidianana ary ny tontolon’ny politika eto amintsika, hoy ny profesora Johnson Jacky Thaïna, filohan’ny tambajotran’ireo hery velona, manampahaizana, ireo sangany taranak’i Madagasikara na ny RCFVIEEM. Tanjon’ity tambajotrana olom-pirenena ity ny hametraka rafitra vaovao manaraka ny etika sy ny lalàna ary ny deôntolôjia hifehy ny tontolon’ny politika sy sosialy eto amintsika. Milaza ho manana tondrozotra vaovao hamoahana an’i Madagasikara amin’izao krizy izao.

Diaspora malagasy no tena mpikambana eo anivon’ny RCFVIEEM. Mpampianatra lalàna, toekarena, fitantanam-bola ary matematika ny profesora Johnson Jacky Thaïna. Efa nirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena ny tenany. Nambarany moa fa dia ireo tsy fahatomombanana marobe sy ireo mpitondra nifanesy no rangory fototry ny fahantran’ny vahoaka malagasy tato anatin’ny 50 taona.

 

Nangonin’i Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT