Niteraka resabe omaly ary nanaitra ny minisitra tompon’andraikitra raha ny filazany ny fahitany ireo lahatsoratra nivoaka an-gazety omaly maraina mikasika ny fanambarana izay nataon’ny filohan’ny Fahefŕna avon’ny tetezamita Andry Rajoelina teny Iavoloha nandritra ny fankalazana ny faha-51 taona nahazoan’i Madagasikara fahaleovantena.
Nitondra fanazavana mikasika izany Rtoa Razanamahasoa Christine, minisitry ny fitsarana, ka nampiantso mpanao gazety teny amin’ny birao fiasany omaly maraina. Tsy zava-baovao ho an’ny rehetra fa isaky ny fety na zava-dehibe eto amin’ny firenena dia manome fampihenan-tsazy ny filoha, izay fahefana omen’ny lalàmpanorenana. Araka ny fanazavana nentin-dRtoa minisitra dia misy karazany roa izany fampihenan-tsazy izany ka “ny iray dia ny fampihenan-tsazy ampahany ary ny faharoa dia ny famafàna sazy tanteraka”. Raha ny fanambarana nataon’ny filohan’ny FAT dia nohamafisiny fa “ireo olona voasazy no mahazo azy, ka ireo izay feno 65 taona tamin’ny faha 26 jona ka manana sazy amin’ny heloka tsotra dia heverina ho toy vita tanteraka ny saziny fa tsy voafafa akory”.
Raha latsak’io 65 taona io kosa dia mihena telo volana, fa maro ireo manafangaro ny zavatra voalaza ka miteraka tsy fifankahazoana. Nambarany mazava fa “tsy nisy mihitsy ny famafan-tsazy tamin’ny kabarin’ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita satria ny lalàna no mamoaka an’io ary tsy maintsy dinihina eny anivon’ireo andrim-panjakana roa mpanao lalàna dia ny Filankevitra ambon’ny tetezamita sy ny Kongresin’ny tetezamita”. Raha ny tena izy ihany koa dia tsy maintsy misy lalàna mamoaka izany, ka nampahafantariny ny vahaoaka fa “ny fanalefahana dia tsy midika mihitsy ho famafana sazy”. Efa nodinihina teo anivon’ny fivorian’ny mpikambana eo anivon’ny governemanta koa io famafan-tsazy io, ary teny anivon’ireo andrim-panjakna roa mpanao lalàna nefa tsy mbola nahitana mangirana ka heverin-dRtoa Razanamahasoa Christine fa rariny loatra raha hisy ny fivoriana tsy ara-potoana entina handinihina io, aorian’ny fifaranan’ny fivoriana ara-potoana ny 7 jolay ho avy izao.
Nandritra ny fihaonan’ny minisitra tamin’ny mpanao gazety ity ihany koa no nanambarany fa “efa ao amin’ny “2ème degré d’instruction” ny dosie mikasika ny raharaha BANI. Io rantsam-pitsarana io no mametra ny raharaha halefa hotsaraina. Efa eo am-pamaranana ny asany amin’ny fandinihina ny dosie izy ireo ka miandry ny fotoam-pitsarana atsy ho atsy ny rehetra.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.