Politique

Razanamahasoa Christine Tadiavina hailika ?


  • Alatsinainy 07 Jona 2010

Araka ny tsiliantsofina re dia misy amin’izao fotoana ny vondron’olona manana toerana ambony eo anivon’ny tetezamita no mitady ny hevitra rehetra hanilihana ny minisitry ny fitsarana Razanamahasoa Christine.

Voalaza mantsy fa tsy manao izay rehetra tokony hataony hiarovana ny fitondrana tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina, tahaka ireo rehetra izay tsy mbola very seza, ity minisitra ity sady mitady tsy hahafehy tsara ny fitsarana izay tena saro-pady tokoa, indrindra fa amin’ny vanim-potoanan’ny krizy tahaka izao. Anisan’ny tsy levon’ny vavonin’ireto vondron’olona ireto ny fampiatoan-dramatoa minisitra ilay didim-pitsarana amin’ny fanakatonana ny Magro etsy Ankorondrano, taorian’ny fitoriana nataon’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria Antananarivo. Somary nibitaka ihany mantsy ny avy amin’ny Tiko sy ny legalista raha nahare izany. Amin’izy ireo dia azo adika ilay fampiatoana ny didy nataon’ny minisitry ny fitsarana fa azo hidirana sy hanaovana hetsika indray izany ny eny amin’ny Magro Ankorondrano tamin’iny raharaha iny.

Maro ny tsy nihambahamba nilaza fa tena nisy nampijabaka ny minisitry ny fitsarana ary tsy mahalala tsara akory ilay didim-pitsarana. Manampy izany rehetra izany dia tsy mahafaly ireo vondron’olona mikatsaka ny hanilika ny minisitra Razanamahasoa Christine ny fitarazohan’ny fanenjehana sy ny fampiharana ny lalàna momba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Araka ny fahitan’ny mpanara-baovao politika azy, mety ho izany rehetra izany no nampivoaka tampoka ny daty hanatanterahana ny fitsarana ny raharaha 7 febroary sy ny resaka manomboka mivoaka fa mety hisy ny didy avoakan’ny fitsarana malagasy mba hampodian’ny firenena Afrika Tatsimo an’i Marc Ravalomanana aty an-tanindrazana. Mety ho nanampy trotraka ny fankahalan’ireo olona ambony sasany ny minisitry ny fitsarana ihany koa, araka ny fandinihana azy ny filazany tamin’ity herinandro ity fa zon’ireo mpitsara eo anivon’ny SMM mihitsy ny mitokona sy mitaky ny zony. Na dia eo aza anefa izany tetika hanilihana ny minisitry ny fitsarana izany, dia azo ambara fa ho sarotsarotra ihany ny fanatanterahana azy, satria anisan’ireo mpitolona mafana fo niaraka tamin’i Andry Rajoelina teny amin’ny kianjan’ny 13 mey Razanamahasoa Christine, no sady mety mahalala zava-miafina maro manodidina ireny zava-nitranga tamin’ny herintaona ireny ka mety ho zava-doza ho an’ny filohan’ny HAT ny tonga dia hanala azy. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT