Mampifanditra hevitra ny ankolafy mpanohitra amin’ny mpanohana ny FAT ny famotsoran-keloka tokony homena an’i Andry Rajoelina, araka ny tolokevitry ny SADC.
Tsy misy didim-pitsarana manameloka ny filohan’ny FAT ka tsy misy antony hanomezana azy amnistia, hoy ireo mpomba azy toa an-dry Reboza Julien sy ry Maharante Jean Dieu. Ny ankolafy Ravalomanana amin’ny alalan’ny Maitre Razafimanantsoa Hanitra kosa anefa dia milaza fa misy fitsarana telo nitoriana an’i Andry Rajoelina dia noho ny ampamoaka nataon’ny kolonely Charles Andrianasoavina, ny eo anivon’ny tribonalin’ny SADC ary ny eo anivon’ny fitsarana iraisam-pirenena amin’ny raharaha 07 febroary.
Raha nanontaniana ity resaka ity ny minisitry ny fitsaran’ny tetezamita, Razanamahasoa Christine dia nilaza fa noho ny sazy nomen’ny Vondrona Afrikanina ny mpitondra FAT izay lohalaharana amin’izany i Andry Rajoelina no ilany famafan-tsazy fa tsy misy didim-pitsarana manameloka azy kosa eto an-toerana. Niaiky koa ramatoa minisitra fa tsy mbola nampahafantarina ny didim-pitsarana mahakasika azy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ka raha vao tonga eto izy dia tanterahana izany. Afaka manao fanohanana anefa ity farany araka ny fanazavany ihany. Tsy dia mankasitraka loatra ny resaka famotsoran-keloka moa ity minisitra notendrena teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey tamin’ny 2009 ity satria aminy dia vao mainka mampirisika ny olona hanao heloka ny famafan-tsazy.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.