Politique

Razanakolona Paul Tratry ny fingana politika ?


  • Talata 19 Jolay 2011

Nisarika ny sain’ny mpanara-baovao indray ny resaka nahavoatonona an-gazety mpiseho isan’andro ny Lehiben’ny faritra Vakinankaratra.

 Nolazain’ny vaovao moa fa dia resaka fivadiham-pitokisana sy fanamparam-pahefana ity resaka ity ka tamin’ny asa fanamboaran-dalana mirefy 07 kilometatra ilay izy. Araka ny fanazavan-dRazanakolona Paul, lehiben’ny faritra dia tsy nisy nidirany mihitsy ny momba ny fanomezana ny tolo-bidy ny orinasa nanatontosa ny asa satria ny FER na Tahiry fikojakojana ny lalana no tompon’ny famatsiam-bola fa andraikitry ny Faritra sy ny sampandraharahan’ny Asa Vaventy ny fanaraha-maso. Nanamarika ihany koa ny lehiben’ny Faritra fa vita tokoa ny asa ary efa noraisina vonjimaika ny 28 jona lasa teo saingy ny dingana arahina amin’ny famoahana ny vola dia tsy misy idiran’ny Faritra na dia nangataka tamin’ny lehiben’ny Faritra mba handoavana ny volany aza ilay mpandraharaha. Fantatra teny anivon’ny Asa Vaventy Antsirabe mantsy fa taorian’ny fanamarinana ny fandraisana vonjimaika ny asa dia mandalo ao amin’ny ARM na ny Autorité Routière de Madagascar mandritra ny 10 andro ny antontan-taratasy izay vao miampita any amin’ny FER mpamatsy vola ary aorian’izay vao misy famoaham-bola. Araka izany dia raisin’ny lehiben’ny Faritra ho fanalam-baraka azy na fingana politika fotsiny iny resaka iny.

 

Caiüs R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT