Politique

Razakarimanana Ferdinand Tsy mahay maka lesona ny tafika malagasy


  • Alakamisy 16 Jona 2011


Tsy nitsitsy fitenenana ny Jeneraly Razakarimanana Ferdinand manoloana ny fanambaran’ireo komandy miaramila, ny talata 14 jona teo. “Mbola manao politika foana ny tafika. Tsy mahay maka lesona tamin’ny fahadisoana teo aloha mihitsy ny foloalindahy fa dia mbola niditra tamin’ny raharaha politika ihany”, hoy ity jeneraly misotro ronono ity. “Ny fodian’ireo sesitany politika eto an-tanindrazana dia resaka politika madiodio ka tsy misy hidiran’ny foloalindahy”, hoy ihany izy. Nohamafisiny moa fa dia izany no naharatsy endrika ny foloalindahy Malagasy. Ankoatra izay dia notsipihan’ny Jeneraly Razakarimanana fa dia niditra tamina resaka politika indray ny tafika ary tsy vao tamin’ity tetezamita ity. Manahy ny tenany, araka izany, fa dia hanampy trotraka ny zava-misy eo anatrehan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena izao fihetsika izao ary dia havesatra ny ho fiantraikan’izany, hoy ihany izy, tsy ho araka izay heverina na ireo mpanao politika na ny foloalindahy.

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT