Politique

Razafintsiferana Liva (Kmfb)


  • Talata 20 Septambra 2016

Fitondrana Hvm, malaza amin’ny gaboraraka Samy nanana ny endrika sy ny asa nampiavaka azy avokoa ireo mpitondra fanjakana rehetra nifandimby, indrindra ny eto Madagasikara manokana,

 

 

hoy Razafintsiferana Liva filohan’ny KMFB na ny Kômity Miaro ny Fiainam-Bahoaka.  Nampiavaka ny fitondran’ny filoha teo aloha Philibert Tsiranana, hoy izy, ny fivoizana ny politikan’ny kibo. Ny an’ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka  dia ny hoe ady amin’ny fahantrana. Ny an’ny filoha teo aloha Zafy Albert dia ny fanaovana  “ Mada Raid “. Ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana kosa  dia ny Fanaovan-dalana sy famoronana asa ny azy no tena nimasoany. Ny an’ny filohan’ny tetezamita dia nisongadina tamin’ny fandravana efa ary ny an’ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina kosa  dia izao misongadina amin’ny famerenana ny Fahantrana izao, ny fanalalahana ny kolikoly avo lenta ary ny fanomezana lanja ny vahiny sy ny fivarotana amin’izy ireo an’i Madagasikara. Fitondrana malaza amin’ny gaboraraka.  Faly ny mpitondra ankehitriny, hoy Atoa Razafintsiferana fa tonga tsy nampoizina teo amin’ny fitondrana ka afaka mangoron-karena sy mitavana izay tiany. Sahirana koa anefa satria toa be loatra ireto mijoro manohitra azy ankehitriny ka mahatsiaro ny hatezeram-bahoaka nihatra tamin’ireo mpitondra nodimbiasany hatrizay fa izy ireo mantsy dia tonga amin’ilay hoe : sady tsy mihaino no tsy mandre, mijery fa tsy mahita ary tsy manana vahaolana amin’ireo fitakiana sesehena misy afa tsy izao fanatanterahana ny Frankofonia eto amintsika izao ihany. Hoentina aiza ary ity firenena ity ?

Ntsoavina Evariste



 


 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT