Politique

Razafindramaro Ezekiela sy “bois de rose” Misahotaka ireo namany eny Tsimbazaza


  • Talata 12 Jolay 2011

Nampisahotaka ireo namany mbola tazana eny amin’ny Lapam-panjakana Tsimbazaza omaly alatsinainy ny resaka fampidirana am-ponja vonjimaika ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, Razafindramaro Ezekiela noho ny fahatafidirany amin’ny resaka trafika “bois de rose”.

 Nandeha teny amin’ity toerana ity ny resaka tsy fanajana ny “immunité parlementaire” ka anisan’ny nanao antso avo tamin’izany ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita Raharinaivo Andrianatoandro izay nilaza fa hangata-panazavana any amin’ny Fitsarana avon’ny lalàmpanorenana mikasika azy io. Ankoatra izay dia nisy ny fivoriana manokana nataon’ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita maromaro tao Tsimbazaza tao omaly alatsinainy takariva nandinika akaiky ity raharaha ity. Tsy nisy nipika anefa ny dinika nataon’izy ireo fa anio maraina no voalaza fa hanao ny tatitra amin’ny mpanao gazety ny zavatra notinapany tao ireto parlemantera ireto. Ny tsiliantsofina heno dia ny hoe : mbola mety hisy CT 51 hafa hosamborina noho ity raharaha ity. Tetsy ankilan’izay, ny tsikaritra dia raha niantso ireo namany nandalo teny Tsimbazaza hanatrika ity fivoriana ity ny CT maromaro dia nisy ihany ireo tsy narisika namonjy ny fivoriana ary nilaza mazava fa tsy hiray tsikombakomba amin’ny zava-dratsy fa rehefa manao ny tsy mety dia tokony hiharan’ny sazy sahaza azy.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT