Rehefa jerena amin’ny fo tsy miangatra ny raharaham-pirenena eto amintsika ankehitriny, hoy Razafimandimby Zafilahy Stanislas, filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana, dia sarotra ny hinoana fa hisy fifidianana amin’ny volana mey 2013 izao.
Tsy vao izao akory ny tenako no niteny izany, hoy izy, fa vao navoakan’ny CENI-T sy ny Vondrona iraisam-pirenena ny datim-pifidianana novolavolain-dry zareo io dia efa nambarako izany satria ilay fepetra takiana amin’ny fanatantanterahana azy io dia tsy misy tanteraka avokoa. Roa amin’ireo fotsiny no hotanisaiko dia ny tsy fampiharana ny fepetra hisian’ny fitoniana voalazan’ny sori-dalana, tahaka ny fampodiana ireo sesitany any ivelany rehetra tsy misy an-kanavaka, ny famoahana ny gadra politika rehetra mbola any am-ponja hatramin’ireo miaramila lazaina fa voatazona amin’ny zavatra hafa ary ny fanokafana ireo haino aman-jery rehetra nakaton’izao fitondrana FAT izao hisian’ny tena demokrasia marina.
Singaniko manokana, hoy ity filoha lefitry ny CT avy any Toamasina ity, fa tsy mbola fahita eran-tany izany mpitolona tsy niala kianja nandritra ny efa-taona izany izay nitaky hatramin’ny farany ny famerenana ny ara-dalàna eto amin’ny firenena sy ny fodian’ny Filoham-pirenena voafidim-bahoaka an-tanindrazana. Na inona, na inona ho lazaina dia olona matoky tanteraka ny filoha Marc Ravalomanana ary tsy mivadi-belirano aminy ireo ka antoky ny fitoniana ny fiverenany eto Madagasikara. Faharoa dia ny fepetra ara-bola. Milaza ny hanampy daholo ireo firenen-dehibe sy fikambanana any ivelany maro samihafa, hoy i Zafilahy Stanislas, saingy hatreto aloha dia tsy mbola hita mivaingana mihitsy izany fampanantenana rehetra izany.
Ilaina ny fampihavanana
Tsy mandeha amin’ny tokony ho izy ny asan’ny CENI-T, hoy izy, fa ankehitriny dia misy 1 tapitrisa ireo olom-pirenena tonga taona tsy manana kara-panondro manerana an’i Madagasikara hatrany ambanivohitra lavitra andriana. Mitaky enim-bolana any ny fanatanterahana izany ka fifidianana inona no hangarahara eo raha teren-ko masaka toy ny voalobo-jaza fotsiny amin’izao ? Efa maromaro ireo nanambara ofisialy ho fanta-bahoaka fa hirotsaka hofidiana filoham-pirenena ary samy nanizingizina tamin’ny lahateny nataony avokoa fa nanao hadisoana teto amin’ity firenena ity ny FAT ka ny dikan’izany dia mila amnistia izy ireo fa tsy te-hiteny izany imasom-bahoaka fotsiny.
Ary tsy vitan’izany fa samy miezaka hanamarin-tena ho tsy tompon’antoka tamin’ny fanonganam-panjakana 2009 avokoa ary mbola te hilaza mafy koa aza fa tsy meloka ny Filoha Marc Ravalomanana. Dikan’izany, hoy ity CT voatendry avy any Vavatenina ity, dia voaporofo izao fa tena ilaina ny fampihavanana ataon’ny FFKM ary miandrandra izany avokoa ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka. Tsy hanaiky hofitahan’ny mpanao politika intsony ny vahoaka fa miandry kosa ny fandraisana andraikitr’izy ireo sy ny fahatsapan-tenany avy hanatanteraka izay fomba hiverenantsika amin’ny rafitra ara-dalàna indray.
Tsy tokony hisy fifidianana hatao tandrametaka izany eto fa hiteraka krizy vaovao indray, hoy ihany i Zafilahy Stanislas. Mbola tazoniko, hoy izy namarana ny teniny, ny filazana ny maha manankasina ny mponina amin’ity tany ity ka izaho dia anisan’ny manohana marindrano ny hoe : “Aleo Malagasy manankasina ray sy reny tsy mizaka zom-pirenen-kafa miaraka aminy no hitondra ny tany sy fanjakana satria izay manana zom-pirenena roa dia tsy maintsy hiaro ny tombontsoan’ireo firenena nosafidiany sy tompoiny ireo.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.