Politique

Razafimanazato Julien Ministra dedaka ?


  • Alakamisy 05 Aogositra 2010

Nanaitra nefa koa nahasorena mpampianatra maro ihany ny fanambaran’ny ministry ny fampianarana Razafimanazato Julien ny talata teo, fa tokony ho maro lavitra noho ny salanisa nivoaka ny afaka fanadinana BEPC raha toa ka nesorina ireo «candidats libres» avy any amin’ny sekoly tsy miankina.

Raha ny tena marina anefa, araka ny nambaran’ny mpampianatra iray dia ny fahaizana sy fahalalan’ny ankizy mihitsy no nihemotra ary hita fa tena misy akony amin’ny fianarana ihany koa ny krizy mitarazoka eto amin’ny firenena tato anatin’ny roa taona latsaka izao. Ankoatra izay dia anisan’ny kianin’ireo mpampianatra ihany koa ny fahadedahan’ity ministra ity sy ireo mpiara-miasa aminy, mba hamoaka faran’izay haingana ny voka-panadinana. «Tsy ny hafainganan’ny fivoahan’ny vokatra no inona, fa ny salanisam-pahafahana sy ny naoty ihany», hoy ny mpampianatra iray. Efa hatramin’ny 2009 moa no nahatsikaritra ny maro fa ataon’ny FAT fitaovana politika mba hambaboana ny ray aman-dreny ny fanadinam-panjakana, ka hikarohana izao hevitra rehetra izao, tahaka ny hoe : hentitra ny fitandroana ny fandriampahalemana, haingana ny fivoahan’ny vokatra, ary maro be ireo afaka, raha oharina amin’ny tany aloha. Manahy noho ity fahadedahan’ny ministra sy ny ao amin’ny ministeran’ny fanabeazana ity ary ireo ray aman-dreny maro fa sao dia diplaoma baoritra ny an’ny zanak’izy ireo, satria toa manenjik’isa fa tsy manabe ny mpianatra mba tena hahazo fahalalana ny FAT. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT