Politique

Razafimahatratra Valisoa “Ny fampihavanana ny mpanao politika aloha no tokony atao”


  • Alarobia 02 Jona 2010

Vahinin’ny Tia Tanindrazana anio Razafimahatratra Valisoa, Mpitsara grady voalohany teo aloha, manao asan’ny mpisolovava ankehitriny ary Filoha nasionalin’ny Antoko FIASA (Finoana Arahin’Asa), izay nampahafantarina ny mpanao gazety tao Antsirabe ny sabotsy 22 mey 2010 teo ny fijoroan’ity antoko ity. Resadresaka.

Tia Tanindrazana (T.T) : Inona no antony nananganana ity antoko politika ity fa tsy nionona tamin’ny fikambanana Miara-Mizotra nahafantarana anao ?Razafimahatratra Valisoa (R.V) : Niainga tamin’ny fikambanana Miara-Mizotra (MIAMI) tokoa izahay, izay niasa ho an’ny fanabeazana olom-pirenena ho vanona sy fampirisihina ny firotsahan’ny Kristianina amin’ny raharaham-pirenena. Tamin’ny fankalazana ny faha-10 taona nijoroan’ny Miara-Mizotra no nahatsapan’ny mpikambana fa ho sarahina ny asan’ny MIAMI ka ny fanabeazana ny kristianina ihany sisa ny hosahaniny izay hisy sekoly hatsangana mihitsy fa ny firotsahana sy ny sehatra politika ary ny fampandrosoana dia hosahanin’ity Antoko FIASA ity. 

T.T : Inona no fototra niainganareo tamin’izany ?
R.V : Ny fijerena ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana mihitsy no nanosika anay sy izay niainantsika izay 50 taona niverenan’ny fahaleovantena izay. Milaza miara-mahita isika fa tena latsaka anaty lavaka tanteraka ny firenena izao. Ny zavatra hitanay dia ilay fomba niainana ilay fanaovana politika mihitsy no olana, ny Antoko FIASA dia hanova izay fomba fijery sy fanaovana politika izay.
 
T.T : Tahaka ny ahoana izay fomba fijery sy fanaovana politika izay ?
R.V : Raha fitinina dia atao hoe Antoko politika tsy natsangan’olon-tokana ary tsy natao ho an’olon-tokana no hajoro, ny zava-nisy mantsy dia izay antoko nijoro dia natao hiaro sy hanohana olona iray hatrany, tsy nisy tsangan-kevitra mazava fa olona no tohanana, fa aminay dia misy ilay atao hoe vinam-piarahamonina mazava entina eo amin’ny fitondrana, ny miseho matetika moa dia ny mifamadika amin’izay hatrany. Manaraka izay dia Antoko mifototra amin’ilay soatoavina maha malagasy satria dia tsapa ankehitriny fa very izany ka izay no fototr’izao olana ankehitriny izao.
 
T.T : Inona no tsy nampiharana izany tao amin’ny MIAMI ?
R.V : Ny tao amin’ny MIAMI dia ilay fotom-pampianaran’ny fiangonana katolika hoe : «manangana fikambanana atao hifanabeazana sy fifampitaizana», no natao ka nifototra tamin’ny fanabeazana ny olona mba hanana kopia nahaterahana ohatra, ny fananana kara-panondro-pirenena momba ny fananan-tany sy ny zo aman’andraikitry ny olom-pirenena... avy eo izy ireo hampirisihina hirotsaka amin’ny sehatra politika fotsiny, fa ny fiasa dia namolavola ilay tetikasam-piarahamonina mihitsy amin’izao fotoana.
 
T.T : Ny fahitanao ny raharaham-pirenena ankehitriny ?
R.V : Mampalahelo ny zava-misy, ana hetsiny ny olona very asa ankehitriny, aminay dia tsy misy olona tsy ahitan-baliny izany, fa mialoha ny hitenenana ny hoe ndao hihavana sy hifamela dia tokony hojerena aloha ny fototr’ilay olana, ny antony mampiverimberina azy isaky ny 10 taona izao ka mahavery hasina ny politika. Ny Malagasy aty ifotony anie tsy miady e ! Aminay dia ny fampihavanana ny mpanao politika aloha no tokony hatao dia manaraka ho azy ny ambiny rehetra toy ny fampihavanam-pirenena, ny famotsoran-keloka...
 
T.T : Ny fifidianana izay ho avy eo ?
R.V : Vonona ny FIASA hiatrika izany.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT