Politique

Razafiarison Laza Aleo hibaribary ny marina !


  • Zoma 24 Jona 2011

Vonona hiady hevitra momba ny raharaham-pirenena amin’ny filohan’ny Antoko AVI, Norbert Ratsirahonana ny Sekretera jeneralin’ny antoko Avotra ho an’ny Firenena, Razafiarison Laza.

 “Maro loatra ny tsy fahamatorana asehon’ireo mpanao politika mandray fanapahan-kevitra eto amin’ny firenena na dia efa samy mitady izay vahaolana matotra sy mety aza ny rehetra, ka rariny loatra raha valiana ireny antso nataony nandritra ny fivahinianany tamin’ny fahitalavitra iray ireny”, hoy Razafiarison Laza. Hamantarana izay tena milaza ny marina na koa mandainga io fihaonana io. Manamafy koa ity farany fa tsy hahitana vahaolana ny fanelanelanana iandraiketan’ny vahiny toy ny SADC. Porofo entiny manaramarina izany ny fifanoherana amin’ny fehin-kevitr’i Sandton sy ny fanitsiana nataon’ny Dr Salomao. Nasiany resaka koa ny fodian’ireo filoha sesitany any ivelany. Tsy ny fodian’izy ireo no tokony hasiana olana fa “mandray ny andraikiny ny fitsarana rehefa nisy ny ra latsaka”, hoy izy.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT