Tokony hibanjina ny fanatanterahana ny fifidianana avokoa ny rehetra manomboka izao, hoy ny CT Razafiarisoa Jacqueline Voahangy Lalao Alice.
Izay ihany no resaka politika azo tenenina izao, hoy izy, fa ny resaka sosialim-bahoaka no tokony hojerena bebe kokoa noho izao krizy izao. Takiana mihitsy amin’ny maha filohan’ny vaomieran’ny mponina eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita ny tenako, hoy izy, ny hijeren’ny fanjakana bebe kokoa an’ireo tanorantsika izay betsaka no tsy an’asa ankehitriny noho ny fikatonan’ireo orinasa maro. Mila fampirisihana sy fanohanana ny famoronana asa avy amin’ny fananganana ireny orinasa madinika sy salantsalany ataon’ny tanora ireny, hoy ity CT avy eto amin’ny Boriborintanin’Antananarivo faha-III ity.
Tokony mba hijerevana toerana sahaza azy sy mety amin’ny varotra ataony koa ireo mpivarotra amoron-dalana mameno tanàna noho ny tsy fisian’asa, hoy ihany Razafiarisoa Voahangy Lalao, fa tsy tokony hanao saka sy totozy amin’ny mpiasan’ny Kaominina lava izao izy ireo. Notsiahiviny ihany koa moa fa anisan’ny nitondra ny tsirambin’ny tanana (sakafo) nanampiana fianakaviana sahirana nahatratra 20 tao amin’ireo fokontany 34 ao amin’ny Boriborintany faha-III eto Andrenivohitra ny tenany, mba nafahan’izy ireo nianoka tao anatin’ny fetin’ny Asaramanitra na dia mba indray andro monja aza. Tahaka izany koa ny ankizy 20 avy amin’ireo Fokontany ireo ihany nizarana kilalao mba tsy hipitrapitrany manoloana ny namany nanao ny fetin’ny Krismasy. Tsy nohadinoin’ity CT ity ny niarahaba sy nirary soa ny Malagasy rehetra hahita fahombiazana amin’ity taona vaovao 2013 ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.