Mirehareha ny fitondran-dRajoelina fa sady mahavita mandoa karaman’ny mpiasam-panjakana hatrany no nahavita nanorina fotodrafitrasa samihafa, na tapaka aza ny famatsiam-bola avy any ivelany.
Eo ankilan’io dia ambara fa eo amin’ny 1,2% ny ho fitombon’ny harinkarena faobe. Amin-dRazafindrakoto Raymond, mpahay toekarena niasa teo anivon’ny PNUD taloha, dia tapimaso ataon’ny fitondrana hanakonana ny tena zava-misy eto amin’ny firenena avokoa ireny. Eo amin’ny lafiny sosialy fotsiny izao, hoy izy, dia niampy zaza miisa 5 hetsy no tsy miditra an-tsekoly, CSB roan-jato mahery mikatona. 2 ka hatramin’ny 3% ny tahan’ny fitombon’ny mponina, izany hoe mihoatra noho ny fitombon’ny harinkarena. Ny dikan’izany hoy i Raymond Razafindrakoto dia mihamahantra, ary ankehitriny efa mihoatra ny 80% ny Malagasy mahantra.
Koa na misy kianja sy hopitaly manara-penitra ary koa Coliseum sy trano mora aorina etsy sy eroa, tsy manatsara ny sosialim-bahoaka ireny, nefa ny harem-pirenena ritra andro aman’alina, tsy misy holovain-taranaka vokatry ny tsy fahaiza-mitantana ka manjaka ny gaboraraka. Mila tsaboina ny fototry ny krizy, mba tsy hiverimberenany izay mamotika ny toekarena Malagasy, hoy ity mpahay toekarena Malagasy, anisan’ireo nitondra ny traikefany tamin’ny fanarenana an’i Rwanda taorian’ny ady an-trano namotika ity firenena ity. Mila dimy taona any, aorian’ny fitsaharan’ny krizy, hoy izy vao mety hiarin-doha ny toekarentsika. Ansan’ireo manohana ny tokony hananganana governemanta teknisianina, tsy miandany ny tenany, handamina ny tany sy ny fanjakana ka hamerina an’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna.
Britto
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.