Politique

Raymond Ranjeva Mifandrirotra kanikanin-kena ny mpanao politika Malagasy


  • Talata 28 Febroary 2017

Tsy afa-miala amin’ny resaka fampihavanam-pirenena ny vahoaka Malagasy, hoy ny profesora Ranjeva Raymond.

Efa nanao tolo-kevitra momba izany rahateo ny tenany izay mifototra amin’ny teboka roa. Voalohany, tsy voavahan’ny famolavolana sy famoahana lalàna izy io fa fanavotana sy fanasitranana amin’ny aretina mangeja ny firenena. Faharoa, mila mahatsiaro tena ny isam-batan’olona fa voakasiky ny fampihavanam-pirenena avokoa ka tsy misy afaka misora-tena ho mpampihavana na hampihavanina. Tena ilaina ny fampihavanam-pirenena raha tiana ny ho tafita tahaka ireo firenen-drehetra maneran-tany, araka ny fanazavany. Vonona hisalotra andraikitra amin’ny ho avin’ny firenena ve anefa isika, indrindra ireo tompon’andraikitra manam-pahefana manoloana ny zava-misy eto Madagasikara. Variana mifandrirotra kaninakin-kena miaraka amin’ny fankafizana ny mitsako siligaoma fotsiny mantsy ny mpanao politika Malagasy, hoy ny profesora Ranjeva Raymond. Fanamarihan’ity farany ihany koa io manoloana ny adihevitra mikasika ny «ni… ni…» tamin’ny taona 2013. Azo ambara mihitsy fa fifanakalozan-kevitra tsy mifanalavitra tamin’ny 40 taona no mbola misy eto Madagasikara hatramin’izao, hoy ny filoha lefitry ny CIJ (Cour International de Justice) teo aloha. 

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT