Politique

Raveloson Constant “Tsy tampina ny daomy !”


  • Talata 23 Novambra 2010

Manoloana ireny zava-nitranga ny sabotsy lasa teo ireny izay nialan’ny saron-tavan’ny FAT, dia tsy vitsy ireo mametra-panontaniana ny amin’izay mety hoavin’ny hetsiky ny Ankolafy Telo amin’ny famerenana ny ara-dalana eto amin’ity firenena ity.

Tao anatin’ny iray andro mantsy dia sivily sy miaramila am-polony maro no indray naiditra am-ponja. “Tsy tampina anefa ny daomy”, hoy Raveloson Constant. “Nisy sokajina Malagasy, dia ireo foloalindahy, nanao izay zakany tao Ivato dia hatreo no tratrany. Zava-dehibe ny hoe tao daholo ireo manamboninahitra avy amina ankolafy politika samihafa. Izany hoe Foloalindahy tsy manavaka politika mihitsy no tofoka amin’i Andry ankehitriny”, hoy ihany ity mpitari-tolona avy amin’ny MFM ity, sady mpikambana eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana. “Voatery nandefa ‘milisy’ manokana ivelan’ny fibaikoana ara-dalàna ny FAT. Fambara izany fa tsy avotra intsony izy ireo eo anivon’ny foloalindahy”, hoy ihany Raveloson Constant. Eo anatrehan’izany indrindra àry dia nambarany fa“ny tolon’ny sivily no hahavitana ny dingana farany”. Araka izany dia mitohy hatrany ny tolona ataon’ny Ankolafy Telo na dia eo aza ny fanagiazana ny kianjan’ny Magro etsy Behoririka ataon’ireo ‘mpitandro ny filaminana’, hoy izy.

 Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT